Actualités

Olana ara-tany any Toamasina Vaky ny ady eo amin’ny Katolika sy ny Fanjakana


  • Zoma 05 Janoary 2018

Tao anatin’ny 5 taona no nitady vahaolana mikasika ny olana ara-tany sedrain’ny fikambanana eo ambany fitantanany ny Fiangonana Katolika aoToamasina, noho ny fibodoan’ity tovolahy iray ity ny tany nahazoan’izy ireo alalana mazava sy vao noavaozina izay nosoniavin’Atoa Rakotovao Rivo tamin’izy minisitry ny fambolena ny 10 aogositra 2017, saingy hatramin’izao dia tsy hita izany ary vao mainka aza miha lalina noho ity tovolahy ity mirehareha ho manana namana mpitsara sy sakaizana mpitandro ny filaminana ary milaza koa fa zanaky ny mpiasan’ny minisiteran’ny fambolena teo aloha.

Nisy ny fiantsoana ireo mpino Katolika isaky ny diosezy, ny solotenan’ny mponina tao Antetezambaro sy Analamalotra, ny skoto katolika, ary ny mpanao gazety, tao amin’ny Katedraly Md Jozefa Ampasimazava omaly alakamisy , ary maro no tonga na dia teo aza ny oram-be. Nahitsy ny tenin’ny Arsevekan’i Toamasina, Mgr Tsarahazana Desiré: tsy niditra an-tsokosoko tao amin’ity tany antsoina hoe “La Redoute, TF 3072-BA” ity ny fikambanana katolika “Saint Gabriel” raha tsy nisy ny alalana nomen’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fambolena tompon’ny tany azy ireo”. Na teo anefa ny olana tao anatin’izay 5 taona nojerem-potsiny izay dia nandoa ny hofan-tany nifanarahan’ny fikambanana sy ny fanjakana hatrany ny Fiangonana Katolika; nefa tao anatin’izay dia tsy vitan’ny fandroahana ny fikambanana tsy hiasa no nataon’ity tovolahy ity, fa mbola mitondra titra tsy mazava ihany koa ny tenany izay tsy mitovy amin’ny titra omen’ny fanjakana mihitsy. Efa eo anivon’ny fitsarana ny raharaha saingy toa mihisatra ny fandinihana azy; mahalala tsara ny zava-misy koa ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisitera saingy samy mbola mijerijery no betsaka fa tsy misy ny fandraisana andraikitra. Olona an-jatony, vahoakan’Analamalotra, sahanin’ny asa sosialy ataon’ny “Saint Gabriel” mikasika ny orinasa madinika najoro tao, satria avy ao avokoa no miainga ireo fitaovam-pidiovana sy fanadiovana hamatsian’ny fikambanana ireo mponina malagasy tsy manana izany.Hafana izany ity raharaha tany ao Analamalotra Antetezambaro Toamasina II ity manomboka izao, satria milaza ny tsy handefitra manana ny rariny, ary miangavy ny rehetra hijery akaiky izao tamban-jotra na bizina tany izao ireo mpino Katolika sy ireo mponina any an-toerana. Niatrika ny fihaonana tao Ampasimazava ihany koa ny mpanolon-tsaina manokan’ny praiminisitra Atoa Mahazaka Clermont Gervais, izay mpino Katolika no nantsoin’ny fiangonana manokana ihany koa.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT