Nivadika ho rivo-doza ilay andro atsy izay miforona ao amin’ny oseana indiana. « AVA » no anarana hiantsoana azy. Tany amin'ny 365 Km Avaratra Atsinanan'ny Sainte Marie no nisy azy omaly 03 janoary tamin'ny 04 ora hariva. Manodidina ny 75 Km/ora ny rivotra entiny ary tafiotra 105 Km/ora. Araky ny vinavina dia mbola hitombo hery izy mialohan'ny hidirany an-tanety eo avaratry Toamasina ny marainan'ny rahampitso 05 Janoary 2018.
Hitondra rotsak’orana faran’izay betsaka izy ity raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro. Filazana miloko mavo (loza manambana): Araka izany dia miova toy izao ny Filazana loza : Antalaha, Mandritsara, ny faritra Analanjirofo, Atsinanana sy Alaotra Mangoro ary Vatovavy fitovinany. Filazana miloko maintso (fanairana): Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan'ny Antalaha sy Toamasina dia iangaviana tsy hiandriaka intsony manomboka rahampitso. Faritra maro amin’ny atsinanan’ny nosy iny no efa nanorana matevina tato anatin’ny 2 andro izao. Ho an’Antananarivo renivohitra manokana dia efa nanentana ny boriboritany misy faritra iva (boriboritany voalohany, faha efatra sy atsimondrano) ny amin’ny tokony hamindràna ireo olona izay monina eny an-toerana ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Eny Andranomahery Ankorondrano izao dia efa tokantrano 75 sahady no tra-boina noho ny fiakaran’ny rano. Handrasan’ny fanjakana hisy faty olona ve izay vao tena hampandrenesina ny amin’ny loza mananontanona azy ? Lasa mizotra amin’izany ny sain’ny maro ankehitriny satria raha jerena amin’ny satelita dia efa tena manambana tanteraka ilay andro ratsy izay hivadika rivo-doza ary hitondra rotsak’orana be eto Madagasikara. Hatreto anefa dia tsy mba hita taratra ny fanentanana na ny kely aza ny amin’ny tokony hiomanan’ny olona, kanefa efa andro maro no fantatra ny loza mananontanona. Sa hatao fitadiavam-bola indray ka handrasana hisy maty maro sy tsy manan-kialofana an’arivony aloha ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.