Enin-taona niarahana ary nivady tao anatin’ny herintaona ireo mpanakanto roa Big Mj sy Arnaah, saingy nisaraka amin’izao fotoana izao. Ny alin’ny alarobia teo I Big Mj no nanao fanambarana tamim-pomba ofisialy tao anatin’ny kaonty Facebook’ ny momba ity vaovao ity.
Nambarany tamin’izany, fa tsy hoe tsy misy fetra na “No Limit” araka ilay hirany ny fifankatiavan’izy ireo, tao anatin’izay enin-taona niarahany izay. Tsy midika ho mandrakizay koa anefa ny hoe “Magneva”, hoy hatrany i Big Mj tao anatin’ilay hafatra. Nambarany kosa fa na eo aza ity fisarahana ity dia mitohy foana ny fiaraha-miasa eo amin’i Big Mj sy Arnaah amin’ny sehatry ny kanto. Nanamafy io fisarahana io i Arnaah omaly maraina noho ny fahamaroan’ny mpankafy nametra-panontaniana momba ity fisarahana ity. Raha fintinina fohifohy ny tantaran’izy ireo dia nampifandraisin’ny mozika sy ny kanto. Mpandihy tao amin’ny tarika Big Mj no niandohan’i Arnaah, ka nanampy azy betsaka ho lasa mpanakanto feno i Big Mj. Niafara tamin’ny fiarahana sy ny fifankatiavana, ka ny volana jolay 2016 no niroso tanteraka tamin’ny fanambadiana, saingy izao nisafidy ny samy hanana ny lalany izao. Nanomboka ny faran’ny taona 2017 teo, dia any Frantsa i Big Mj manao fitetezam-paritra. Mamita ny hetsika efa tafiditra ao anatin’ny tetiandrony any Fenoarivo Atsinanana kosa i Arnaah. Tsy hay aloha na mety mbola hifamerina, tahaka ny ataon’ny olo-malaza sasany any ivelany izy ireo na ahoana.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.