Actualités

Houcine Arfa Mersenera saika hamono ny Filoha ?


  • Alakamisy 04 Janoary 2018

Efa tafatsoaka any Lafrantsa ilay teratany Frantsay 54 taona antsoina hoe Houcine Arfa Yerres sy Marie-Claude vadiny amin’izao fotoana izao, raha ny vaovao navoakan’ny fampahalalam-baovao Frantsay France-Ouest. Voaheloka 3 taona higadra an-tranomaizina nanomboka ny 23 novambra 2017 teo i Houcine Arfa noho ny fisandohana andraikitra, raharaha fakana an-keriny, fitazomana fitaovam-piadiana tsy nazahoana alalana, ary tafiditra tao anaty tambajotran-jiolahy ihany koa.

Nihena 19 kg izy tao anatin’ny 2 volana sy tapany nitazonana azy tao am-ponja, ary nandritra ny fizaham-pahasalamana nataony tamina hopitaly iray teto Antananarivo no nahatafaporitsaka azy. Nandritra io fotoana io no nilazany hoe : « Raha tsy mitsoaka aho, dia ho faty », ka dia tanterany ny fitsoahana, izay voalaza fa nisy firaisana tsikombakomba tamin’ny mpiasan’ilay hopitaly nanaovany fizahana ara-pahasalamana. Tamin' ny alalan' ny sambo na lakana kely kosa nahatafavoahany niala teto Madagasikara nihazoany ny Nosy Mayotte nialohan’ny nahatonfavany tany Frantsa. Ny alatsinainy 01 janoary 2018 teo izy no tonga tao Frantsa, ary nanamafy izany ny mpisolovava azy Philippe Gumery, araka ny voalazan’io loharanom-baovao io hatrany. Marihina fa nanomboka ny taona 2015 ity lehilahy ity dia niasa tao amin’ny fiadidian’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ka nitana ny toeran’ny mpanolontsaina miandraikitra ny fiarovana ny filoha.

Nikotrika famonoana ny filoha?

Ny 19 jona 2017 no efa notaterina teto ny vaovao momba ny fivoahan’ny resaka fikononkononana hamono ny Filoham-pirenena, ka io teratany Frantsay io no voalaza fa nahiana ho mersenera nikotrika izany. Andro vitsy taorian’ny nivoahan’io vaovao io, ny 23 jona 2017 no naiditra am-ponja izy. Loharanom-baovao azo tamin’izany ny hoe: nisandoka ho manamboninahitra kolonely Frantsay sy manam-pahaizana momba ny fiarovana ny tenany. Misy zavatra nokatsahiny sy nanirahana azy tao matoa izy nitady làlana, ka ny ahiahy voalohany dia ny hoe fikasana sy fanomanana ny famonoana ny filoha, ary nanana fitaovam-piadiana mihitsy izy, raha ny vesatra voalaza etsy ambony. Voalaza fa nahatoky azy ny filoha Rajaonarimampianina, ka efa tafiditra ny lapa sy nahafantatra ny tokony ho fantatra rehetra ao ity vazaha, ary efa nisy mihitsy ny fotoana nanofanany ireo andiana mpiambina manokan’ny filoham-pirenena. Nanomboka nanara-dia ny filoha ireo olona nampidiriny sy nofaniny saingy tsy mbola natao ho mpiambina akaiky (garde rapprochée) aloha. Nisy anefa ny zavatra nampiahiahy satria nipoitra tsikelikely ny lainga. Natao ny fanadihadiana manokana sy ny fanarahan-dia ka teo no nahitana fa tena mpisandoka izy satria nisy fotoana nilaza ho any Frantsa. Rehefa narahi-maso teny Ivato anefa dia tsy nandeha akory. Tsy vitan’ny hoe nanao fanambarana diso fa tena olon-kafa mihitsy no nandeha tamin’ny anarany. Voaporofo teo ny naha  mersenera azy ary fa mbola nisy teratany Frantsay sy Belza hafa voalaza fa niaraka taminy tamin’izany. Tsy tongatonga ho azy araka izany ny nahafahany nandositra, fa efa tena zavatra avo lenta raha ny fandinihana azy. Fanontaniana mipetraka kosa ny hoe iza no naniraka azy? Ho vita ve ny mbola hanenjika sy hamerina azy eto Madagasikara? Inona no mety ho tohiny satria efa nahalala ny tsiambaratelo maro tao an-dapa sy mikasika ny fiarovana ny filoha izy io ary azo antoka fa efa nizara izany vaovao izany tamin’izay mety ho mpiray tsikombakomba aminy ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT