• Talata 09 Janoary 2018
Actualités.Lalao Ravalomanana Nankahery sy nanampy ireo traboina etsy amin’ny ANS

Tonga nitondra fanampiana sy nankahery ireo tra-boina mitoby etsy amin’ny ANS Ampefiloha sy ny EPP Anosibe omaly ny ben’ny tanànan’Antananarivo sy ireo mpiara-miasa aminy.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 09 Janoary 2018
Actualités.Traboin’ny rivodoza any Manakara Ho avy ny fanampiana , hoy ny depiote Abel

Tahaka an’ireo toerana rehetra nandalovan’ny rivodoza Ava farany teo dia maro dia maro ihany koa ireo havana traboina any amin’ity distrika ity, hoy ny depiote Razafimahatratra Abel voafidy tany an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 08 Janoary 2018
Actualités.Nandravarava i AVA Traboina i Madagasikara

Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Analamanga, Sofia, Vatovavy Fitovinany, Boeny no faritra tena voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza AVA ny faran’ny herinandro teo. Olona 1 no maty, 3 hafa tsy hita popoka raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly alahady. Efa mananika ny 23 000 kosa ireo traboina sy voatery nafindra toerana noho ny fiakaran’ny rano na ny faharavan’ny trano fonenana tamin’ireo faritra voalaza tetsy ambony ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 08 Janoary 2018
Actualités.Antananarivo Ahiana ho vaky i Sisaony sy Ikopa

Efa ao anatin’ny loza mitatao tanteraka Antananarivo ankehitriny raha ny fiakaran’ny rano amin’ny renirano lehibe Sisaony, Imamba, Ikopa manodidina an’Antananarivo, araka ny filazana laharana faha-18 navoakan’ny sampana miandraikitra ny ady amin’ny tondra-drano na ny APIPA omaly alahady 7 janoary tamin’ny 6 ora hariva.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 08 Janoary 2018
Actualités.Madagasikara Nopotehana Rivodoza 3 tao anatin’ny 3 taona

Nitondra faisana noho ny rivodoza i Madagasikara tato anatin’ny telo taona, izany hoe nanomboka ny janoary 2015 ka hatramin’ny janoary 2018. Nandalo teto ny 14 hatramin’ny 22 janoary 2015 ny rivodoza Chezda ka 15 no maty ary 80 000 no traboina. Niakatra ny renirano maro manerana ny nosy, maro be ny zavatra simba.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 06 Janoary 2018
Actualités.Rivodoza AVA,3000 no traboina Voa mafy i Toamasina sy Foulpointe

Loza amin’atambo no niainan’ny vahoakan’i Toamasina ny faritra Atsinanan’ny Nosy manontolo iny omaly noho ny fidiran’ny rivo-doza “Ava” an-tanety omaly tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany tao ao amin’ny distrikan’ny Toamasina (Ambalamanasy).

Hamaky ny tohiny
FTT