Loza amin’atambo no niainan’ny vahoakan’i Toamasina ny faritra Atsinanan’ny Nosy manontolo iny omaly noho ny fidiran’ny rivo-doza “Ava” an-tanety omaly tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany tao ao amin’ny distrikan’ny Toamasina (Ambalamanasy).
Tafiakatra 150Km/ora ny rivotra nentiny teo am-pidirina, ary tao anatin’ny 37 Km manodidina ny ivony, izay narahina tafiotra 205Km/ora, izany hoe efa tena mahery vaika satria ao anatin’ny “Cyclone tropical” ny sokajiny. Andrin-jiro sy hazo maro be no niongana tao Toamasina, maromaro ihany ny fanana (fiara, trano) no simba satria nianjeran’ny hazo .Ho an’ny ao Sainte Marie dia andro vitsivitsy no efa tsy nifankahitana ny rivotra sy ora-mikija, ka toerana maro no difotry ny rano.
Tsy roa aman-tany ny fahapotehana, ary efa tsy tambo isaina ny traboina tamin’iny faritra Atsinanana manontolo iny. Ny 80% amin’ny trano fandraisam-bahiny no nisy fahasimbana, ary ny 90% ho an’ny trano fonenana tsotra any Foulpointe, izay tena lasibatra tanteraka, raha ny fampitam-baovao. Ahiana ho tapaka ihany koa ny làlam-pirenena faha-2 (RN2) satria misy fihotsahana goavana ao Beforona sy eo amin’ny toerana antsoina hoe : “Las Vegas” tsy dia lavitra an’Andasibe. Dibo-drano ihany koa ny tanànan’I Brickaville noho ny ora-mikija.Efa tena loza mihatra eto amin’ny firenena izany, saingy indrisy, fa na ny tompon’andraiki-panjakana voalohany tao Toamasina (Ben’ny tanàna, Lehiben’ny Faritra) aza, dia voalaza fa namela ny vahoakany ho tra-doza irery tao, raha ny hafatra nataon’ny solombavambahoaka iray tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly maraina, izay niparitaka be tokoa, dia namonjy taty an-drenivohitra niatrika ilay fisakafoanam-be teny Iavoloha. Marihina rahateo fa efa fanta-poko fantam-pirenena fa hiditra an-tanety ny rivodoza, dia tsy nampihemotra ny fanjakana izany, fa ny nataony ihany no nataony. Ny tenabenay no aty fa ny fo amam-panahinay any aminareo mandrakariva, hoy i Hery Rajaonarimampianina omaly. Ekena fa mahery ny rivo-doza, ka tsy hamela anareo irery fa vonona hifanolo-tànana izahay. Tena fiatsarambelatsihy sy tsy firarahiana tsotr’izao kosa no andraisan’ny maro izany satria ny olona tra-doza, saingy tsy mba vitan’ny mpitondra ny nampandefitra ny fihetsika mitory fanesoana manompa vahoaka.
Olona miisa 989 no voatery nafindra toerana ka eto Antananarivo ny 349 amin’ireo.Manodidina ny 2000 kosa ireo tsy maintsy noesorina tamin’ny toeram-ponenany, izany hoe efa manafosafo ny 3000 izany manerana ny nosy hatry omaly tamin’ny 9 ora alina ny traboina noho ny fandalovan’ny rivodoza AVA.Misy sekoly 5 ihany koa fantatra fa rava tanteraka.
Toky R sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.