Actualités

Lalao Ravalomanana Nankahery sy nanampy ireo traboina etsy amin’ny ANS


  • Talata 09 Janoary 2018

Tonga nitondra fanampiana sy nankahery ireo tra-boina mitoby etsy amin’ny ANS Ampefiloha sy ny EPP Anosibe omaly ny ben’ny tanànan’Antananarivo sy ireo mpiara-miasa aminy.

 Tsy manadino ireo tra-boina ary manampy azy ireo mandrakariva ny kaominin’Antananarivo, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Raha ny fangatahan’ireo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha manokana izay mponin’Andavamamba anjezika I sy II no ankamaroany, raha ny fanazavana, fa ampahany ihany ny avy eny Manarintsoa sy Tetezana afovoany dia ny hijerena manokana ny tetezana eny an-toerana no tena andrasan’izy ireo. Efa nijery ifotony ny zava-misy teny amin’ireo toerana nisian-tra-boina ireo ny alahady teo ny tomponndraikitry ny CUA, hoy ny ben’ny tanàna, ary dia mbola hiverina eny anio ny delege sy ny ekipany hijery manokana izay resaka tetezana izay. Miisa 380 moa ireo fianakaviana tra-boina mitoby etsy amin’ny ANS Ampefiloha, izany hoe, olona miisa 1592, raha toa ka fianakaviana 737 be izao kosa ny etsy amin’ny EPP Anosibe. Notoloran’ny CUA vary milanja 1 taonina na 20 lasaka ny tetsy Ampefiloha, raha 2 taonina kosa ny tetsy Anosibe. Ankoatr’ireo dia notolorana voamaina 2 lasaka, savony 2 baoritra, bodofotsy 1 bal ho an’ny bevohoka sy beantitra avy ireo tra-boina, arakaraky ny fivoaran’ny toe-draharaha eny amin’ny fokontany misy azy avy. Anio kosa dia mbola hanantitra vatomamy sy biskoitra ary yaourt ho an’ireo tra-boina ny CUA.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT