Nitondra faisana noho ny rivodoza i Madagasikara tato anatin’ny telo taona, izany hoe nanomboka ny janoary 2015 ka hatramin’ny janoary 2018. Nandalo teto ny 14 hatramin’ny 22 janoary 2015 ny rivodoza Chezda ka 15 no maty ary 80 000 no traboina. Niakatra ny renirano maro manerana ny nosy, maro be ny zavatra simba.
Nanao ny nataony koa i Enawo tamin’ny herintaona ( 2-11 martsa 2017). Navesatra ny fahavoazana satria Malagasy 81 no namoy ny ainy ary manodidina ny 400 000 ireo traboina nanerana ny nosy. Vaky avokoa ny fefiloha ary efa natahorana ny tondra-drano mahatsiravina.Niantso fanampiana iraisam-pirenena mihitsy moa ny fanjakana Malagasy vokatr’ity Rivodoza tena nahery vaika ity.
Izao janoary 2018, nandravarava ihany koa ny rivodoza AVA, tsy latsaky ny 23 000 hatreto ireo traboina, ambony dia ambony ny haavon’ny rano, raha tsy hiresaka afa-tsy i Sisaony sy Ikopa izay mandalo eto Antananarivo. Efa nampitandrina ary nampandre ireo manampahaizana sy mpandinika fa hisy akony ratsy amin’ny toetry ny andro ny fihafanan’ny tany saingy tsy dia miraharaha firy azy io moa ny ankamaroan’ny olona ary ny eto Madagasikara manokana dia mbola atao fomba fanao isan-taona ny doro tanety sy ny fanapahana hazo. Tsy mahagaga raha mafana migaingaina ny andro amin’ny maintany ary oram-be mivatravatra sy rivodoza mandravarava rehefa fahavaratra. Manana rafitra miasa momba ny toetry ny andro efa hatry ny ela i Madagasikara. Misy koa ny sampandraharaha momba ny fiahiana ny loza voajanahary dia ny birao misahana loza ara-boajanahary (BNGRC), saingy hita ihany ny fitarazohan’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny asa tsy maintsy atao maika. Nahoana no tsy misy tetikasa goavana sy mazava momba ny fisorohana, ny resaka serasera aloha dia hita ho tena maivana ? Soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako. Lesona goavana ho an’ny fitondram-panjakana Rajaonarimampianina izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.