Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Analamanga, Sofia, Vatovavy Fitovinany, Boeny no faritra tena voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza AVA ny faran’ny herinandro teo. Olona 1 no maty, 3 hafa tsy hita popoka raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly alahady. Efa mananika ny 23 000 kosa ireo traboina sy voatery nafindra toerana noho ny fiakaran’ny rano na ny faharavan’ny trano fonenana tamin’ireo faritra voalaza tetsy ambony ireo.
Antananarivo (2.029) sy Toamasina (8.236) no ahitana traboina betsaka indrindra satria tamin’ireo faritra ireo no tena mafy ny rivotra, nijojo fotoana maharitra ny orana ary tena niakatra ny rano. Dibo-drano ireo faritra iva rehetra eto an-drenivohitra dia Andavamamba, Anatihazo Isotry, Ambodirano Ampefiloha, Andavamamba, Soavina, Ampitatafika. Rakotry ny vatan-kazo sy rantsan-kazo tapaka kosa i Toamasina. Misimisy ihany ny tafo nanidina, nivadika ho dobo filomanosana ny ankamaroan’ireo kartie ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana. Lalam-pirenena maro no tapaka na nahitana fahasimbana ka tsy hahafahana mifamezivezy ara-dalàna. Anisan’ny goavana ohatra, ny lalam-pirenena faha-2, faha-6, faha-44. Misy ny tetezana tapaka, ny arabe nofaohan’ny rano. Eo koa ny lalana difotry ny rano tanteraka ka tsy azo handehanana sao hitera-doza ny rano mandeha. Efa nanentana hatry ny omaly maraina ny BNGRC mba ho mailo ny rehetra amin’ny mety ho fihotsahan’ny tany satria na dia efa lasa aza ny oram-be dia namela mangidy. Traboina ny firenena, mafy ny nafitsok’i AVA tao anatin’ny 2 andro. Miezaka ny mamerina amin’ny laoniny izay azo amboarina ny isan-tokantrano, tsy maintsy miandry fandaminana ary mionona amin’ny tranolay sy ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana kosa ireo rava trano tsy manan-kialofana. Niantso ny Malagasy hiray hina amin’ny fiatrehana ny takaitra navelan’i AVA sy sy hifanome tanana hanarina ny simba ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay nitsidika manokana an’i Toamasina ny sabotsy teo niaraka tamin-dRamatoa vadiny sy ny praiminisitra. Nampitandrina ny mpanararaotra ihany koa amin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao. Mafy ny fanarenana, indrindra ho an’i Toamasina. Manampy izay dia efa henjana ny nanjo tamin’ny andalovan’ny rivodoza Enawo ny 2 ka hatramin’ny 11 martsa 2017 teto Madagasikara. Misy ny fianakaviana vao tamin’ny volana desambra 2017 no tafiarin-doha dia izao mamely izao indray i AVA. Efa nivoaka an-dranomasina ny sabotsy alina teo moa ity rivodoza ity saingy mbola hisy ihany ny andro ratsy sy orana entin’ny rambony ka io ilay mila fahamailoana sy fitandremana. Azo antoka fa tsy maintsy mila fanampiana iraisam-pirenena na ara-torohevitra sy paikady io, na ara-pitaovana na ara-bola i Madagasikara satria goavana ireo fahavoazana. Efa fantatra ihany mantsy ny fetra vitan’ny fitondram-panjakana.
Tahaka izao avy ireo lalam-pirenena (RN) fantatra fa tapaka na misy fahasahiranana ny fandehanana aminy :
RN2 (Antananarivo – Toamasina):PK 136-PK b140
RN6 Ambondromamy – Antsohihy – Antsiranana):PK 297-PK 494-PK 497
RN7 (Antananarivo – Fianarantsoa – Toliara):PK 327- PK 309- PK 313
RN25 (Ambohimahasoa – Irondro- Mananjary)
RN32 (Antsohihy – Mandritsara- Andilamena):PK140-PK136 /
RN34 (Betafo – Miandrivazo-Morondava) :PK13-PK37
RN44 (Moramanga – Ambatondrazaka)
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.