Efa ao anatin’ny loza mitatao tanteraka Antananarivo ankehitriny raha ny fiakaran’ny rano amin’ny renirano lehibe Sisaony, Imamba, Ikopa manodidina an’Antananarivo, araka ny filazana laharana faha-18 navoakan’ny sampana miandraikitra ny ady amin’ny tondra-drano na ny APIPA omaly alahady 7 janoary tamin’ny 6 ora hariva.
Filazana loza mitatao ho an’ny lemak’Antananarivo lalovan’ireo renirano 3 lehibe ireo, ka voakasik’izany eto Antananarivo sy ny manodidina. Lemak’Ikopa : Masindray, Ambohimanambola, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Soavina, Anosizato Andrefana, Antananarivo, Bemasoandro, Ankadimanga, Ambohitrimanjaka, Ampangabe, Iarinarivo. Lemak’i Sisaony : Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe. Lemak’Imamba : Sabotsy Namehana, Ankadikely Ilafy, Ambohibao Antehiroka, Talatamaty, Iarinarivo. Toy izao manaraka izao ny refin’ny halalin’ny rano. Reniranon’Ikopa: 2,04 m ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’Antelomita, izany hoe somary any am-potony. Nidina 0,02 m ny rano tao anatin’ny 3 ora ary mbola hidina mandritra ny 12 ora manaraka. 3,98 m ny haavony eo amin’ny mari-drefin’Ambohimanambola. Niakatra 0,01 m ny rano tao anatin’ny 3 ora ary mbola hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka. 3,30 m ny haavony eo amin’ny mari-drefin’Anosizato. Niakatra 0,07 m ny rano tao anatin’ny 3 ora ary mbola hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka. Tratra ny refy 3,00 m filazana loza manambana (mavo) eo Anosizato. 3,50 m ny refy filazana loza mitatao (mena) eny an-toerana. 4,09 m ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’i Bevomanga. Niakatra 0,08 m ny rano tao anatin’ny 3 ora ary mbola hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka. Tratra ny refy 4,00 m filazana loza manambana (mavo) eo Bevomanga. 4,50 m ny refy filazana loza mitatao (mena) eo Bevomanga. Reniranon’i Sisaony : 2,32 m ny haavony eo amin’ny mari-drefin’Andramasina. Nidina 0,06 m ny rano tao anatin’ny 3 ora ary mbola hidina mandritra ny 12 ora manaraka. 4,48 m ny haavon’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika. Niakatra 0,15 m tao anatin’ny 3 ora ary mbola hiakatra mandritry ny 12 ora manaraka. Tratra ny refy sy efa nihoarana ny 4,00 m filazana loza mitatao (mena) eo Ampitatafika. Reniranon’Imamba : 8,80 m ny haavon’i Mamba eo amin’ny mari-drefin’Ambohidroa. Tsy niakatra tsy nidina ny rano tao anatin’ny 3 ora nefa hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.