• Sabotsy 17 Martsa 2018
Actualités.Tohana ho an’ny Vondrom-paritra Distrika 3 eto Analamanga no nofanin’ny CNaPS

Nahazo fiofanana momba ny fitantanana ara-bola, ny zon’ny mpiasa sy ny fiahiana ara-tsosialy ny distrika telo avy eto amin’ny faritra Analamanga dia Andramasina, Anjozorobe ary Manjakandriana tamin’ity herinandro ity.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Martsa 2018
Actualités.Fanafody amidy eny amin’ny tsenakely Tena tsy azo hatao, hoy ny ministeran’ny fahasalamana

Betsaka ireo tsenakely lasa mivaro-panafody ankehitriny. Ny mampalahelo aza, hoy dokotera Manitra Rakotoarivony anisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia ny fokontany indray no tena mandrisika ireny mpivarotra ireny hanao ny asany satria lavitra toeram-pivarotam-panafody, hono, izy ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Martsa 2018
Actualités.Raharaha fofon-kelika Niala tsiny ny depiote

Ny talata 13 martsa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora dia nisy asam-baomiera itambarambe tsy azon’ny besinimaro atrehina tety Tsimbazaza, hoy ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, Mahazoasy Freddy, raha niverina nanazava ny tranga teny amin’ny antenimiera omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Martsa 2018
Actualités.Fampijaliana vahoaka tany Antsakabary Minia mikipy ny fanjakana

Manoloana ny horonantsary miparitaka mampiseho mazava ny fampijalian’ireo polisy ny mponin’Antsakabary, dia mangataka amin’ny fanjakana Malagasy ny hanaovana fanadihadiana tsy mitanila momba ny fitondran-tenan’ireo polisy ny Amnesty International noho ny fiahiana fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny loza amin’atambo, ary tokony hajaina ny fitsipika iraisam-pirenena. Tokony hanonitra ny fahavoazana manontolon’ireo vahoaka lasibatra ihany koa ny fanjakana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Martsa 2018
Actualités.Jirama Mandroseza Tsy maintsy notapahana ny rano satria maloto

Nisy faritra maro nahitana fahatapahan-drano teto an-drenivohitra omaly tokony ho tamin’ny 9ora maraina hatramin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teo ho eo. Anisan’izany Ambohijatovo, Faravohitra, Manjakaray.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Martsa 2018
Actualités.Tovovavy bevohokan’ny anadahiny Nodidiany ny antsy ny tendan’ilay menaky ny ainy

Tovovavy iray tsy ampy taona, avy any amin’ny kaominina Ambatomiady no fatantra fa nahavita namono ny zaza naterany, tao Antanifotsy-Vakinankaratra omaly alakamisy 15 martsa.

Hamaky ny tohiny
FTT