Nisy faritra maro nahitana fahatapahan-drano teto an-drenivohitra omaly tokony ho tamin’ny 9ora maraina hatramin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teo ho eo. Anisan’izany Ambohijatovo, Faravohitra, Manjakaray.
Asa na fifanandrifian-javatra na tena nisy fifandraisana fa nifanojo tanteraka tamin’ilay hetsika fanairana nataon’ny mpandraharaha Malagasy izany. Omaly tao anatin’io ora fahatapahan’ny rano io tokoa mantsy no niseho ny fitsofana kiririoka, fampanenoana lakolosy, fanapoahana takobilany, noho ilay hetsika fanairana ny mpitondra ny amin’ny tsy fandriampahalemana misy eto Madagasikara. Vao mainka nentanim-po ny olona, indrindra ireo mipetraka teny amin’ny toerana nisy fahatapahana rano. Ireo mpivarotra hanimasaka moa no tena nampiaka-peo ary toy ny mahazatra dia manambany hatrany ny tolotra omen’ny JIRAMA. Tetsy an-kilany rehefa nanontaniana kosa ny tompon’andraikitra teny Mandroseza dia nilaza fa olana ara-teknika no nitranga fa tsy nisy ifandraisany amin’ny hetsika nataon’ny mpandraharaha. Tsy maintsy natao, hoy izy ireo, ny fanapahana fa naloto be ny rano navoakan’ilay fitaovana mpanadio (détendeur na régulateur). Raha tsy notapahana izany dia rano maloto avy hatrany no voatosiky ny fitaovana tonga any amin’ny mpanjifa ka vao mainka hiteraka olana.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.