Actualités

Raharaha fofon-kelika Niala tsiny ny depiote


  • Zoma 16 Martsa 2018

Ny talata 13 martsa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora dia nisy asam-baomiera itambarambe tsy azon’ny besinimaro atrehina tety Tsimbazaza, hoy ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, Mahazoasy Freddy, raha niverina nanazava ny tranga teny amin’ny antenimiera omaly.

 

 Ny praiminisitra sy ny minisitry ny fitsarana izay mitana ny tombokasem-panjakana no nasaina manokana saingy tonga nanotrona azy ireo tampoka anefa ny governemanta iray manontolo. Na mamela azy ireo hanatrika aza ny andininy faha-49 ao amin’ny fitsipika anatiny dia mbola nolaniana tamin’ny tsangan-tanana ihany izany. Tafiditra tao ihany koa ny mpanao gazety. Lalàna fehizoro 3 moa no nodinihana ka lany tamin’ny tsangan-tanana fa avoaka, hoy izy, ny mpanao gazety. Nisy ny fihoaram-pefy ka dia ialana tsiny izany; nanakiana mafy ny mpanao gazety ka nilaza fa sempotry ny fofon-kelika mantsy Rtoa Rabetafika Roberthine, depiote voafidy tao Isandra ka io no niteraka resa-be avy eo. Ny harivan’io moa dia azon’ny rehetra natrehina ny fivoriana. Mba hanatsarana ny fiaraha-miasa dia mahafaly anay ny manolotra ny holafitry ny mpanao gazety ny fehezan-dalàna (arrété 067) mikasika ny fitsipika anatiny momba ny toerana ao Tsimbazaza sy ny manolotra ny ampahan’andininy, ao anatin’izay ihany koa izay milaza ny antony nampidirana mpitandro ny filaminana tao an-dapa, hoy hatrany ity filoha ity.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT