Nahazo fiofanana momba ny fitantanana ara-bola, ny zon’ny mpiasa sy ny fiahiana ara-tsosialy ny distrika telo avy eto amin’ny faritra Analamanga dia Andramasina, Anjozorobe ary Manjakandriana tamin’ity herinandro ity.
Nahatratra 139 ireo mpiofana ka 41 vondrom-bahoakam-paritra avy amin’ny distrikan’Anjozorobe miaraka amin’ny lehiben’ny distrika, 35 ny mpandray anjara avy any Andramasina izay notarihin’ny lehiben’ny distrika. 63 kosa ny an’i Manjakandriana. Nisy ny asam-baomiera nijerena ny vahaolana ahafahana miroso amin’ny fanomezana fiahiana ara-tsosialy ireo mpiasan’ny Kaominina, no ihany koa « itadiavana vahaolana ny amin’ireo trosa miavosan’ny Kaominina amin’ny CNaPS » .Nampatsiahivina ihany koa fa « zo fototra mahaolona ny fiahiana ara-tsosialy ». Nilaza moa Atoa Rasolomampionona Emmanuel Tale Jeneralin’ny Fitsinjaram-pahefana fa ho vita ato anatin’ny enim-bolana ny « subvention » na ny fanampiana omen’ny fanjakana ny vondrom-bahoakam-paritra. Ary nambarany fa manohana tanteraka ny CNaPS ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana satria ny CNaPS dia sady mitsinjo ny maha olona no mijery ny fampandrosoana ifotony.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.