Manoloana ny horonantsary miparitaka mampiseho mazava ny fampijalian’ireo polisy ny mponin’Antsakabary, dia mangataka amin’ny fanjakana Malagasy ny hanaovana fanadihadiana tsy mitanila momba ny fitondran-tenan’ireo polisy ny Amnesty International noho ny fiahiana fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny loza amin’atambo, ary tokony hajaina ny fitsipika iraisam-pirenena. Tokony hanonitra ny fahavoazana manontolon’ireo vahoaka lasibatra ihany koa ny fanjakana.
Nofatorana sy norahonana
Mampivarahontsana sy mampangitagitaka ny maro tokoa ity horonantsary ity satria maneho ny nampijaliana ny vahoakan’Antsakabary sy nandoroana ny tanàna, izay tsiahivina fa trano 487 isa no may ary 1449 no tsy nanan-kialofana, izay ankizy ny 540 tamin’izany. Raha tsiahivina, herisetra sy habibiana natao tamin’ny vahoaka ho setrin’ny fahafatesan’ny polisy miisa 2 ny 16 febroary 2017 no antony ka nahatonga ireo polisy manodidina ny 40 nalefa tany hamaly faty, roa andro monja taorian’izay. Nofatorana sady manao “marche à canard” miampy daroka sy nasaina niteny hoe: “Tsy mety ny mamono polisy”. Ao anatin’izay fotoana izay, dia efa midedaka ny tanàna, ary tsy afaka ny hamonjy izany akory. Efa nampanantena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fandaharana Fotoam-bita andiany faha-5 ny volana jona 2017 fa hivoaka tsy ho ela ny marina momba iny sy ireo fitsaram-bahoaka sesilany. Nilaza indray ny fanjakana taoriana kelin’izay, fa efa vita ny 16 aogositra teo ny fanadihadiana ireo polisy 40 nalefa nanao iraka tany Antsakabary ny 20 febroary 2017, ary efa eo am-pelatanan’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo ny raharaha. Herintaona mahery aty aoriana, tsy hita izay tena marina, ka dia hambara indray ve hoe mbola mandeha ny fanadihadiana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.