Betsaka ireo tsenakely lasa mivaro-panafody ankehitriny. Ny mampalahelo aza, hoy dokotera Manitra Rakotoarivony anisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia ny fokontany indray no tena mandrisika ireny mpivarotra ireny hanao ny asany satria lavitra toeram-pivarotam-panafody, hono, izy ireo.
Amin’ny ankapobeny anefa dia misy “norme des stockage” arahina ny fivarotam-panafody antony nametrahana ny pharmacie sy ny dépôt de médicament. Ho an’ireo karazam-panafody misy ireo karazana kisary sy soratra, hoy izy dia tsy mampaninona loatra izay satria efa fantatra ny fomba fampiasana azy fa ho an’ireo karazam-panafody hafa kosa dia tena loza mihantona ho an’ny fahasalamana ny fihinanana azy tsy amim-piheverana sady mety tsy handaitra amin’ilay aretina intsony ilay fanafody avy eo. Noraisiny ohatra tamin’izany moa ny amoxycilline izay nomarihiny manokana fa iray ihany no fatra tokony hihinanan’ny olona iray azy isaky ny mihinana saingy lasa roa izany ankehitriny noho izay fihinankinanam-poana izay ihany. Marihina anefa fa tena mahazo tombony avo sasaka tokoa ireny mpivaro-panafody eny anivon’ny fokontany ireny izay mpiasan’ny toeram-pivarotam-panafody ihany no mamatsy azy. Raha 300 Ar ohatra ny iray plakety amin’ny paracetamol misy fanafody miisa 10 dia hamidy 50 Ar ny iray. Raha 1.000 Ar no hakan’izy ireo ny iray plakety amin’ny amoxycilline dia hamidiny 2.000 Ar izany…Amin’ny ankapobeny moa dia ireo karazam-panafody ireo no tena be mpitady eny anivon’ireny tsenakely ireny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.