Actualités

Tovovavy bevohokan’ny anadahiny Nodidiany ny antsy ny tendan’ilay menaky ny ainy


  • Zoma 16 Martsa 2018

Tovovavy iray tsy ampy taona, avy any amin’ny kaominina Ambatomiady no fatantra fa nahavita namono ny zaza naterany, tao Antanifotsy-Vakinankaratra omaly alakamisy 15 martsa.

 

Mpianatra amin’ny sekoly tsy miakina iray izy ity ary tsy nisy nahalala fa mitoe-jaza izy. Ny alin'ny alarobia hifoha omaly alakamisy, dia nitaraina marary sy ninainaina fatratra ity tovovavy ity, izay tsy nisy nahafantatra fa efa nihetsi-jaza izy. Ny maraina dia lasa nianatra daholo ireo mpianatra namany niaraka nanofa trano taminy, ary dia teraka lahy irery tao an-trano izy. Nisy nahare ihany anefa ny manodidina fa nisy feon-jazakely ka nanontany azy. Nolaviny fa tsy naheno izy. Nentin’ny tahotra anefa izy ka ny hamono an’ilay zaza no tao an-tsainy ka nodidiany ny tendan’ilay zaza sy ny lamosiny ary nafeniny tao ambanin’ny lamba natoriany. Niverina indray anefa ireo olona satria nahita azy toa mahana, ka dia tratra ny nafenina. Tsy mbola maty moa ilay zaza ka novonjena nentina teny amin’ny hopitaly ary tamin’ny fotoana nanoratana dia re fa tsy mbola maty ilay zaza. Raha ny fanadihadiana dia nambarany fa ny anadahiny iray tampo aminy no nahabevohoka azy ka izany no antony namonoany ilay zaza. Efa noraisin’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.

 

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT