• Talata 15 Mey 2018
Actualités.Fanatsarana ny fanabeazana sy ny fahasalamana 6 tapirisa dolara no nomen’ny Koreanina tatsimo

Omaly alatsinainy 14 mey no nosoniavina teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny fifanarahana momba ny politikan’ny fanabeazana ny tanora eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Mey 2018
Actualités.Fanadinana eny amin’ny ENMG Asiana « camera de surveillance » ny efitrano rehetra

Ahiana hisy olana, hoy ny tale jeneran’ny sekoly manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny Fitsarana (ENGM) etsy Tsaralalana, ny fanatontosana ny fanadinana handraisana mpianatra ao amin’izy ireo amin’ity taona ity noho ny zava-misy eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Mey 2018
Actualités.Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka Hanjakan’ny kolikoly, hoy ny sendika

Tonga nilanja sorabaventy tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha avokoa omaly ireo mpikambana eo anivon’ny sendikan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto amintsika. Nifanindran-dalana indrindra tamin’ny fahatongavan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady teny an-toerana izay nitokana ilay ivontoerana nohavaozina hitiliana sy hitsaboana ny aretin’ny homamiadana mpahazo ny vehivavy, eo anivon’ity hopitaly iray ity.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Mey 2018
Actualités.Tale jeneralin’ny Fanalamanga Toherin’ireo mpiasa ny fanesorana azy

Vao maraina ny vahoaka efa niandry sy vonona ny hiaro ny fananany no hita niatrana tao amin’ny tokotany malalaky ny orinasa Fanalamanga Moramanga ny zoma 11 mey 2018 lasa teo. Araka ny fantatra dia io andro io no nanatanterahana ny fanoloana ny mpitantana eo anivon’ny orinasa Fanalamanga, hoy ny fanazavan’ireo sendika sy ny vahoaka tao Moramanga.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Mey 2018
Actualités.Fibodoana tanim-bahoaka any Sambava Miray tendro amin’ny mpanam-bola ny mpitondra

Tany an-jatony hektara no namitahan'ny fitondrana HVM ny vahoaka ao amin'ny faritra SAVA, hoy ny mponina. Araka ny fampitam-baovao, voalaza fa ahoron'ny mpanam-bola mpiray tsikombakomba amin'ny mpitondra sy ny depiote HVM any amin'ny faritra SAVA ny tany efa nohajarian'ny vahoaka an-taonany maro.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Mey 2018
Actualités.Fitantanana ny tranoprintim-pirenena Malagasy Teti-dratsy ny fikasana hanomezana azy ny tsy miankina

Tetika maizina hoentin’ny fitondrana manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena Malagasy, hoy ireo mpiasa, ny fikasany hanome ny tsy miankina ny fitantanana ny tranoprintim-pirenena.

Hamaky ny tohiny
FTT