Actualités

Fanatsarana ny fanabeazana sy ny fahasalamana 6 tapirisa dolara no nomen’ny Koreanina tatsimo


  • Talata 15 Mey 2018

Omaly alatsinainy 14 mey no nosoniavina teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny fifanarahana momba ny politikan’ny fanabeazana ny tanora eto Madagasikara.

 Tetikasa izay iarahana amin’ny firenena Koreanina tatsimo sy ny UNICEF ary hotanterahina  mandritra ny 4 taona. Fanabeazana  miompana indrindra amin’ireo tanora adolantsento miisa 200 000 any amin’ny faritra Anosy io tetikasa io ary vehivavy no maro hisitraka azy. Vola mitentina 6 tapitrisa dolara na 19 395 000 000 Ariary (1dolara=3232.5Ar) no natokan’ny firenena Koreanina nanampiana an’i Madagasikara. Ny UNICEF sy ireo minisitera voakasik’ireo sehatra ireo no hitantana io vola io ary hojerena arakaraky ny laharam-pahamehan’ny minisitera ny fampiasana azy. Singanina amin’izany ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny fahasalamana, ny mponina ary ny tanora. Fantatra fa maro ireo adolantsento vehivavy any amin’ny faritra Anosy no tena manahirana ny mitaiza azy ary mampikaikaika ireo ray aman-dreny any mihitsy. Misy amin’izy ireo no tsy mety hiditra an-tsekoly intsony, ao ihany koa ireo tsy ampy taona kanefa  manambady sy mitondra vohoka sahady. Hisy ny fitaizana manokana ireo tanora vehivavy ao anatin’ny olana. Ankoatra izay, hisy ny fanamboarana sekoly sy ny fanomezana ilay atao hoe vatsin’ankohonana ho an’ireo ray aman-dreny mba hampirisihina azy ireo hampianatra hatrany ny zanany.


Tsiry  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT