Actualités

Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka Hanjakan’ny kolikoly, hoy ny sendika


  • Talata 15 Mey 2018

Tonga nilanja sorabaventy tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha avokoa omaly ireo mpikambana eo anivon’ny sendikan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto amintsika. Nifanindran-dalana indrindra tamin’ny fahatongavan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady teny an-toerana izay nitokana ilay ivontoerana nohavaozina hitiliana sy hitsaboana ny aretin’ny homamiadana mpahazo ny vehivavy, eo anivon’ity hopitaly iray ity.

Nambaran’ny filohan’ity sendika ity fa tena mila fanovana ny rafitra eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Betsaka ireo zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny ka anisan’ireny ny tsy fandoavan’ny fitondram-panjakana ny frais médicaux an’ny mpiasa izay tokony hitsaboany tena raha sanatria tojo tsy fahasalamana izy ireo. Toraka izany koa ny fandraisana mpiasa eo anivon’ity minisitera iray ity izay zary hanjakan’ny kinamanamana sy fianakaviana fa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony. Izany resaka fanoloana ny toeran’ny mpiasa iray efa misotro ronono na maty izany moa hoy hatrany ity filohan’ny sendika ity dia tsy misy intsony arahin’ny famindran-toerana ny mpiasa tsy amim-piheverana. Nanambara moa izy ireo fa vonona ny hanohana ny hetsik’ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovana 73 mianadahy etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey  hamongorana ny kolikoly eo anivon’ity minisitera iray ity. Taorian’ny fitokonana izay notanterahiny tetsy amin’ny hopitaly HJRA moa dia nihazo avy hatrany ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina nanokatra ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny filoha mivady.


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT