Ahiana hisy olana, hoy ny tale jeneran’ny sekoly manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny Fitsarana (ENGM) etsy Tsaralalana, ny fanatontosana ny fanadinana handraisana mpianatra ao amin’izy ireo amin’ity taona ity noho ny zava-misy eto amin’ny firenena.
Ny 19 jona ho avy izao mantsy no hanatanterahana ny hetsika ho an’ireo hiofana ho mpitsara ary ny 20 jona kosa ho an’ireo maniry ho lasa mpiraki-draharaha. Efa miomana fatratra ny sekoly, toy ny fametrahana “camera de surveillance” isaky ny efitranom-panadinana, ny fiambenana amin’ny toerana voatokana ny laza adina … Fantatra io nandritra ny fanokafana tamim-pomba ofisialy ny fiofanana hatrehin’ireo mpitsara hiasa eo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly. Manampahaizana manokana avy any Frantsa no manome fiofanana azy ireo mandritra ny dimy andro ka anisan’ny hohalalinin’izy ireo ny teknika momba ny fanaovana fanadihadiana, ny zavatra hatao marina mandritra ny fitsarana, indrindra fa ireo voaroiroy amin’ny resaka kolikoly. Tonga nanokatra izany teny an-toerana ny minisitry ny fitsarana sy ny filohan’ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly. Nambaran’ny minisitra fa kasaina hatsangana amin’ity volana mey ity ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika. Noho izany tena maika ny fanofanana ireto mpitsara Malagasy ireto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.