Tany an-jatony hektara no namitahan'ny fitondrana HVM ny vahoaka ao amin'ny faritra SAVA, hoy ny mponina. Araka ny fampitam-baovao, voalaza fa ahoron'ny mpanam-bola mpiray tsikombakomba amin'ny mpitondra sy ny depiote HVM any amin'ny faritra SAVA ny tany efa nohajarian'ny vahoaka an-taonany maro.
Anisan'ny fitaka bevava ny resaka fanomezana ny tanin'ireo voanjo mpanjanaka teo aloha ho an'ny mponina nanajary izany, hoy izy ireo. Nisy olana tamin'ny fahazoana ny tany avokoa ireo mpanajary, ary saika manerana an'i Madagasikara. Raha ny ao amin'ny faritra SAVA manokana, voalaza fa tany manodidina ny 140 hektara no lasan'ny mpanam-bola sy nandroahana olona ana hetsiny ao amin'ny tany nohajariany efa ho 40 taona. Miray tsikombakomba amin'ireo mpanam-bola amin'izao fangoronana tanim-bahoaka izao ny mpitondra fanjakana, araka ny fitarainan'ireo mponina. Raha ny tao amin'ny kaominin'Antalaha manokana izao dia trano 500 tafo no tsy maintsy horavaina satria lasan'ny mpanam-bola ny tany, raha ny fampitam-baovao. Tsy ny mpitondra fanjakana ihany no manao izao fanaparam-pahefana amin'ny vahoaka madinika izao. Fantatra ihany koa raha ny fitarainan'ny mponina ihany fa tsy nisy niaro azy ireo mihitsy na dia ny solombavambahoaka izay mba sisa nantenaina tamin'ity raharaha ity. Tsy vitan'ny tsy niaro aza fa miray tsikombakomba mihitsy amin'ireo mpangorona tanim-bahoaka ireo solombavambahoaka mpanohana ny HVM ireo, hoy hatrany ny mponina. Voatonon’izy ireo amin’izany moa ny depiote Jaovato, Zoky vonjy ary Jacky. Anisan'ireo tena voa mafy amin'ity fangoronana tany ity ny ao amin'ny fokontany Anosibe. Vahoaka ana hetsiny ihany koa no voakasika amina ady tany ao amin'ny kominina Farahalana, ny ao amin'ny fokontany Moratsiazo ary ny ao Tsaramandroso izay samy ao amin'ny distrikan'i Sambava.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.