Actualités

Fitantanana ny tranoprintim-pirenena Malagasy Teti-dratsy ny fikasana hanomezana azy ny tsy miankina


  • Talata 15 Mey 2018

Tetika maizina hoentin’ny fitondrana manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena Malagasy, hoy ireo mpiasa, ny fikasany hanome ny tsy miankina ny fitantanana ny tranoprintim-pirenena.

 Tsy voafehy intsony mantsy ny fanaovana hosoka sy taratasim-panjaka amin’izay ary ho mora dia mora ny fahazoana taratasim-panjakana saropady  vokatry ny fampiasana taratasy hosoka vita ara-dalàna avy ao. Tsikaritray mpiasa ankehitriny ny fihetsika nosarontsaronana, hanomezana olon-tsotra ny fitantanana ity orinasam-panjakana ity izay anisan’ireo mbola mahavelon-tena ankehitriny noho ny fahafahany niarin-doha tao anatin’ny fotoana fohy noho ny ezaka niarahanay mpiasa nisalahy. Miverina ny fitokian’ireo mpamatsy entana azy na dia efa navelan’ny fanjakana ho bokan’ny trosa sy bankiropitra aza. Tsy manaiky ny fanaovana baranahiny ny fitantanana io orinasa misahana andraikitra lehibe sy saropady eo amin’ny raharaham-panjakana io izahay mpiasa ka manaitra ny mpiray tanindrazana ho mailo tanteraka satria tsy kely lalana ny ratsy efa zatra nambotry vahoaka teto hatramin’izay.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT