Vao maraina ny vahoaka efa niandry sy vonona ny hiaro ny fananany no hita niatrana tao amin’ny tokotany malalaky ny orinasa Fanalamanga Moramanga ny zoma 11 mey 2018 lasa teo. Araka ny fantatra dia io andro io no nanatanterahana ny fanoloana ny mpitantana eo anivon’ny orinasa Fanalamanga, hoy ny fanazavan’ireo sendika sy ny vahoaka tao Moramanga.
Nisy ny feo naparitaka tao an-toerana sy tamin’ireny tambazotra na serasera ireny izay milaza fa hilahatra hanala ny tale jeneraly Atoa Rakotonirina Augustin amin’ny fomba rehetra mba hakan’izy ireo ny toerana ireo andian’olona. Soa ihany fa nihemotra tamin’ny fotoana farany ireo milaza fa haka ny fahefana, raha tsy izany dia mety nisy ny fifandonana mahery vaika tao Moramanga, hoy ny fanazavana. Araka ny fihaonan’ny sendika miisa 4 izay misy amin’ity orinasa ity tamin’ny mpanao gazety dia famotehana ny orinasa izao saika hatao izao satria tokony hanana traikefa ny olona hitantana orinasa fa tsy atao amboletra ary misy ny fanarahana ny lalàna amin’izany. Araka ny nambaran’izy ireo dia io tale jeneraly io no nampitraka ny orinasa Fanalamanga raha tale jeneraly faha 10 izy amin’ity orinasa ity. Na dia vao 3 taona monja izy no nitantana ny orinasa, izany hoe ny taona 2017, dia novitainy tao anatin’ny 3 volana niasany ny fanamby nataony, dia ny fandoavana ny vola nahatratra 4 miliara tamin’ireo latsakemboka sy ny tombontsoan’ny mpiasa tsy voaloa hatramin’izay ka tsy nisitrahan’ireo mpiasa nisotro ronono ny tombontsoany. Izy ihany koa no nahavita nanangana ny tobim-pahasalamana sy ny fampidirana ny fiara maro hanodinana ny orinasa na ny fitaterana ny mpianatra na ny fitaterana ny mpiasa tao Moramanga. Nahavita namatsy ny tontolon’ny ara-tsosialy teo amin’ny fampandrosoana ny faritra Alaotra Mangoro izy, anisan’izany ny oniverisite tao Ambohitsilaozana Ambatondrazaka
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.