• Alakamisy 07 Jona 2018
Actualités.NIDOBOKA ENY TSIAFAHY ILAY NAMONO NY VADINY

Nanaiky ny namono ny vadiny i Tahina saingy kosa tsy nety niteny hatramin’ny farany izay antony. Izay ny vaovao azo teo anivon’ny fianakavian’ny maty.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 06 Jona 2018
Actualités.Sainam-pirenena 2.500 Ar ny mora indrindra, tsy mbola misy mpividy

Na dia efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana jona teo aza no fotoana tokony hananganana ny sainam-pirenena eny anivon’ny biraom-panjakana, ny orinasa, ny trano tsirairay avy dia mbola mangina tanteraka izany ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 06 Jona 2018
Actualités.Fanisana ny mponina sy ny toeram-ponenana Ilaina amin’ny fampandrosoana ara-toekarena

Mitohy hatrany ny fanisana fahatelo ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH3) manerana an’i Madagasikara ary tsiahivina fa ho tapitra amin’ny 10 jona ho avy izao izany. Isaky ny 10 taona amin’ny ankapobeny no tokony hatao ny fanisana ny mponina sy ny toeram-ponenan’ny firenena tsirairay.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 05 Jona 2018
Actualités.Mpanao gazety ara-panatanjahantena Namoy namana tampotampoka

Tena tampontampoka tokoa no namoizana ny namana Rojo Nantenaina Andriatsarahoby mpanao gazety ara-panatanjahantena niasa tao amin’ny gazety Les Nouvelles izay nodimandry teo amin’ny faha-27 taonany omaly alatsinainy 4 jona 2018 raha mbola namita asa ara-dalàna ny alahady 3 jona ary nifanao veloma tsara toy ny fanaony isan’andro tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny alin’io andro io.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Jona 2018
Actualités.Top Radio 102.8 FM Hanomboka anio ny Bemiray amin’ny endriny vaovao

Hiova endrika manomboka anio alatsinainy 4 jona ny fandaharana vao maraina Bemiray amin’ny onjampeo Top Radio 102.8 FM. Fanatsarana no natao mba hanomezana fahafaham-po hatrany ny mpihaino sy hanakaikezana kokoa sady hanampiana ny mpiray tanindrazana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Jona 2018
Actualités.Kaominina Alakamisy Fenoarivo Nahazo toeram-pivarotana akoho gasy sy legioma

Miroso hatrany ny sa fampandrosoana iantsorohan’ny Ben’ny tanàna Rakotobe Jean Christian na i Boni ao anatin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo izay iadidiany.

Hamaky ny tohiny
FTT