Hiova endrika manomboka anio alatsinainy 4 jona ny fandaharana vao maraina Bemiray amin’ny onjampeo Top Radio 102.8 FM. Fanatsarana no natao mba hanomezana fahafaham-po hatrany ny mpihaino sy hanakaikezana kokoa sady hanampiana ny mpiray tanindrazana.
Hifampitana vaovao sy hifampizarana ny mahasoa sy ny mahafinaritra ihany koa. Anisan’ny zana-pandaharana ho hita ao anatin’ny Bemiray amin’ny endriny vaovao ity ny Manakory, Mahafinaritra, ny Toromarika momba ny fifamoivoizana, ny zavatra manaitra sy mahavariana. Ho hita ao ihany koa ny vaovao momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny hiresahana politika, toekarena ary sosialy, ireo vaovao avy any ivelany ary arahana famakafakana sy adihevitra ary ny fandraisana anjaran’ny mpihaino. Amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 9 ora maraina ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma ny fandaharana Bemiray ao amin’ny Top radio 102.8 FM hiarahana amin-dry Britto, Ndriatiana, Mamisoa, Ravaka, willy, Marigny ary Toky.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.