Mitohy hatrany ny fanisana fahatelo ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH3) manerana an’i Madagasikara ary tsiahivina fa ho tapitra amin’ny 10 jona ho avy izao izany. Isaky ny 10 taona amin’ny ankapobeny no tokony hatao ny fanisana ny mponina sy ny toeram-ponenan’ny firenena tsirairay.
Araka izany dia efa tara i Madagasikara satria efa tamin’ny aogositra 1993 no nisaina farany ny mponina. Ny firenena mikambana no manentana ny firenena tsirairay hanisa ny mponina ao aminy isaky ny 10 taona satria miainga amin’izay ny fandrafetana ny politikam-pandrosoana ara-toekarena atao. Ity RGPH 3 ity ihany koa no entina hampiroboroboana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifoton’ny faritra tsirairay. Manoloana ny ahiahin’ny vahoaka ny amin’ireo fanontaniana apetrak’ireo mpanadihady tahaka ny resaka fananana ao an-tokantrano, ny fanofana trano na tsia, eny hatramin’ny karazan’ny toeram-pivoahana dia nanome fanazavana ny manampahaizana manokana ny amin’ny fanisana (démographe) fa tena ilaina indrindra izany amin’ny lafiny fampandrosoana sy ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny fahantrana. Miainga hatrany amin’ireny lazaina ho pitsopitsony ireny mantsy ny tetika sy ny drafitra hoentina mampandroso ny toekarena, hoy ihany izy. Araka izany dia avy amin’ireo tatitra rehetra ireo no haravona hananganana politikam-pampandrosoana ara-toekarena ho an’ny firenena izay mahavita izany. Ilaina ireo tarehimarika sy antontanisa ireo handrafetana ny ezaka rehetra tokony sy tsy maintsy atao hampiroboroboana haingana ny toekarena sy hikajiana ireo tondro isan-karazany. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ihany koa izany, hoy ny Tale Jeneralin’ny Instat Ida Clément Rajaonera.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.