Actualités

Kaominina Alakamisy Fenoarivo Nahazo toeram-pivarotana akoho gasy sy legioma


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Miroso hatrany ny sa fampandrosoana iantsorohan’ny Ben’ny tanàna Rakotobe Jean Christian na i Boni ao anatin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo izay iadidiany.

                          

  Fotodrafitrasa maro no efa vita ary notokanana tamim-pomba ofisialy ny sabotsy teo toy ny pavillon vaovao miisa 17 izay  vokatry ny ezak’ireo mpandraharaha ara-toekarena ao an-toerana. Hampanofain’ny kaominina 60.000 Ar isam-bolana isaky ny pavillon izy ireo saingy noho ny ezaka nataon’ireto mpandraharaha ireto dia hampiasa ny tsena maimaimpoana mandritra ny 12 volana izy ireo raha 20 taona kosa no fe-potoana hanofany azy aorian’ilay herintaona. Ao koa ny toerana misy ireo mpivaro-kena izay nohavaozina tanteraka,  ny toeram-pivarotana akoho gasy manara-penitra sy legioma tsy nampiasa akora simika entina hanatsarana ny fidiram-bolan’ireo tantsaha mpamokatra. Raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanàna iray ity mantsy dia mampiditra 70.000 Ar isan-kerinandro isaky ny mpiompy ny fiompiana akoho gasy eny an-toerana raha tena mandeha tsara araka ny tokony ho izy. Toraka izay koa ny legioma izay ananan’ity kaominina iray ity be dia be tokoa. Tanjon’ny kaominina ny hahafahana manatsara ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano sy hahafahana mampitombo ny vola miditra eo anivon’ny kaominina. Raha mbola 600.000 Ar isaky ny alakamisy andro tsena amin’izao fotoana dia efa hiakatra 700.000 Ar atsy ho atsy. Anisan’ny nanampy ny kaominina tamin’ny fananganana ity fotodrafitrasa fiompiana akoho ity moa ny tetikasa Prodecid amin’ny alalan’ny masoivohon’i Alema.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT