Na dia efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana jona teo aza no fotoana tokony hananganana ny sainam-pirenena eny anivon’ny biraom-panjakana, ny orinasa, ny trano tsirairay avy dia mbola mangina tanteraka izany ankehitriny.
Mbola mangina ihany koa ny tsena, araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray tetsy Anosy. Saina iray monja isan’andro mantsy no mba lafony fa ny mpanontany no betsaka. Efa tena nampidinina anefa ny vidin’ny saina mba hahafahan’ny olon-drehetra manjifa. Mahazo iray ny 2.500 Ar, amin’ireo antonony ny habeny, 15.000 Ar no lafo indrindra. Nambaran’ity mpivarotra ity fa any amin’ny tapaky ny volana jona vao mety handeha tsara ny tsenany, miaraka amin’ny harendrina. Mariky ny fiandrianam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ny fananganan-tsaina rehefa fankalazana ny fetin’ny 26 jona tahaka izao. Hatramin’ny nisian’ny fitondrana tetezamita no ho mankaty anefa dia nanjary maty momoka tao am-pon’ny Malagasy izany, indrindra tamin’ity taona 2018 ity izay hitakian’ny maro ny fialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.