Tena tampontampoka tokoa no namoizana ny namana Rojo Nantenaina Andriatsarahoby mpanao gazety ara-panatanjahantena niasa tao amin’ny gazety Les Nouvelles izay nodimandry teo amin’ny faha-27 taonany omaly alatsinainy 4 jona 2018 raha mbola namita asa ara-dalàna ny alahady 3 jona ary nifanao veloma tsara toy ny fanaony isan’andro tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny alin’io andro io.
Efa nentina any Antsirabe misy ny toerana nianarany asa fanaovan-gazety (EESVA) ny razana mialoha ny handevenana azy any amin’ny fasan-drazany any Sandrandahy Fandriana. Marihana fa namela mananontena sy zazalahy kely 6 taona i Rojo izao nodimandry izao.
Mirary fiononana feno ho an’ny vady aman-janany sy ny fianakaviana manontolo ary ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety Malagasy izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.