Nanaiky ny namono ny vadiny i Tahina saingy kosa tsy nety niteny hatramin’ny farany izay antony. Izay ny vaovao azo teo anivon’ny fianakavian’ny maty.
Nalefa eny Tsiafahy izy mba hotazomina vonjimaika noho ny vonoolona niniana izay tsy iza fa ny vady andefimandriny ihany. Raha tsiahivina, mody nentiny naka rivotra teny Behenjy tamin’ny moto io vadiny io kinanjo novonoiny ho faty tamin’ny kapoka maritoa rehefa teny amin’ny toerana tsy misy olona.
TRANO NIREHITRA
Nirehitra omaly ny "entrepôt" na ny fitoeran'entana an'ny orinasa Lamba Soa eny amin'ny fasan'ny karana. Ora maromaro vao voafehy tanteraka ny afo , tsy fantatra hatreto ny antony fahamaizana . Fantatra kosa fa goavana ny fahapotehana
TSY MILA AN’I VONINTSALAMA IZAHAY
Nanao fanambarana omaly ny sendika efatra tonta SNEM , SAKIMA, SEMPIDOU ary ny avy ao amin’ny Imprimerie Nationale.Milaza izy ireo fa zara raha miodina ny fampidiraan-ketra sy ny asan’ny ladoany manerana ny nosy noho ny tsys famaliana ny fitakiana izay nataon’ireo sendika 4 tonta.Miantso ny praiminisitra mba tsy hameriina amin’ny toerany intsony ny minisitry ny vola teo aloha Rtoa Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona sy ireo mpiara-miasa aminy satria tsy nahavaha olana mihitsy izy ireo.Miantso ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ny sendika 4 tonta mba hifampidinika amin’izy ireo aloha mialohan’ny hanendrena ny minisitry ny vola mba hisorohana ny olana mety hitranga sy ny fikatsoana.Mbola mitohy ny fitokonana , hoy izy ireo.
MITOKONA NY MPITATITRA RN7
Mitokona ireo fiara mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena fahafito (RN7) nanomboka omaly eny amin’ny fasan’ny karana. Manohitra ny famindrana azy ireo eny amin’ny toby fiantsonana vaovao etsy Ambohimanambola ireo mpitatitra ireo. Manaraka ny hetsika avokoa ireo mpitatitra ary tena ankavitsiana sisa no mihazo ny lalam-pirenena fahafito manomboka izao. Ny faran’ny volana jona no fe-potoana farany tokony hifindran’ireo mpitatitra ho eny Ambohimanambola.
MIHARIN-DOHA KELY NY ARIARY
Nihena ho 3.900 ariary ny 1 euro amin’izao. Miharina tsikelikely ny sandan’ny ariary nanomboka ny fiandohan’ny volana jona teo. Efa manomboka betsaka mantsy ireo vola vahiny miditra noho ny fisokafan’ny vanim-potoanan’ny fizahan-tany. Efa tokony hisy fiantraikany amin’ny vidim-piainana, araka izany, ity fihenan’ny euro ity raha ny fandinihan’ny mpahay toekarena.
MPIKARAMAN’ADIN’NY HVM
Tsy manana olona hatolotra hitondra fanazavana eny amin’ny haino aman-jery intsony ny HVM, hany ka mpikaramanady misandoka no alefany. Velon-taraina ireo mponina avy any Arivonimamo fa mpisandoka ho ray aman-dreny no niakatra nisolotena ray aman-drenina mpianatra tamin’ny fandaharana iray teto an-drenivohitra. Sady tsy ray aman-dreny ao amin’ny EPP no tsy mpikambana Fram ity lehilahy ity fa lefitry ny ben’ny tanàna avy any Arivonimamo, hoy ny mponina avy any an-toerana.
TSIPOAPOAKA
Tsy mba misy baiko fandraràna ny famarotana ireo tsipoapoaka hatramin’izao. Iaraha-mahalala anefa fa mitobaka izy ireny rehefa akaiky ny fetin’ny fahaleovantena ary ny vokany dia tsy vitan’izay manakorontana ny sain’olona fotsiny fa betsaka ny mpanafika izay mampiasa ireny mba entina hampitahorana ny tokantrano izay hataony lasibatra. Ny mahamaika ny prefektiora sasany dia ny namoaka didy indray ny amin’ny tsy maintsy hametrahan’ny tokantrano rehetra sainam-pirenena, toy ny ao Toamasina. Adidy anefa ny fametrahana saina fa tsy tokony ho fanerena ary tsy misy andinin-dalàna mahakasika an’izany.
FAKANA AN-KERINY
Tsy hita nanomboka ny sabotsy lasa teo izy mianadahy Rasamoelina Jenny sy Franky, 15 taona sy 14 taona, raha nandeha teny amin’ny havany teny Alasora kinanjo tsy tao ireo. Voatery nody arak’izany izy roa ary teo nanomboka nanjavona. Amin’ny rainy dia heveriny fa nisy naka an-keriny ireo zaza ireo. Afaka miantso ny 0340844876/0331131278 izay manam-baovao ary hisy ny valisoa omena ny olona tsara sitrapo manampy amin’ny fitadiavana.
JIOLAHY 30 NANAFIKA TANANA
Mpivarotra indray no lasibatry ny jiolahy tany amin’ny kaominina Antsoso-Betafo ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Tokony ho misasakalina ireo jiolahy nanodidina ny 30 no tonga tao amin’ny fokontany Tsarahasina, izay nambara ho nirongo fitaovam-piadiana. Nanapoapoaka basy ireo jiolahy tamin’izany ka tsy nisy nivoaka ny trano ny iray tanàna. Tokantrano iray manamanan-katao ao an-toerana ity novantanin’ny jiolahy ity ary ireo entam-barotra no nanaranan’ireo jiolahy fo, niampy ny vola tao am-pivarotana izay voalaza fa nanodidina ny 1 tapitrisa ariary tany ho any.
BANKY FOIBE
Nisy ny grevy nataon’ny mpiasa omaly noho ny fitakiana ny tambin-karaman’izy ireo izay mbola tsy azo kanefa efa tokony noraisina tamin’ny taona 2012. Nisy ny tsipaipaika nataon’ny mpiasa hanaovana ny fitoriana sy hakàna ny mpisolo vava.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.