Toekarena

ZES-Madagasikara Mila 2 miliara dolara mahery ny fametrahana azy


  • Talata 06 Febroary 2018

Famatsiam-bola maherin`ny 2 lavitrisa dolara na 6.385 miliara Ariary no ilaina raha hametraka ny tetikasa Faritra ara-toekarena manokana na ZES eto Madagasikara ka ny faritra ao DIANA, SAVA, Anòsy ary Moramanga no hanatanterahana an`izany.

Any Antsiranana kosa no hanombohana ny ZES ka ny Cap de Diego indrindra ao Andrakaka, izay manana velaran-tany 2 000 Ha no hisantarana izany tetikasa izany. Araka ny fanazavana nomen`Atoa Mahazoasy Freddie, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady filohan`ny NBSI ( Northen Madagascar bord of strategy investement) dia tafiditra ao anatin`ny tetikasa ny fametrahana faritra ho an`ny indostria sy ny fanamboarana fotodrafitrasa fototra maro toy seranam-piaramanidina, seranan-tsambo ary toeram-pamokarana herinaratra mandeha amin`ny angovo azo havaozina. Sehatra roa no hatao laharam-pahamehana ao amin`ity faritra Avaratry ny nosy ity manokana ny lalam-pihariana dia ny Agro Business sy ny fizahantany, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity. Araka izany dia hanatanteraka ny vela-kevitra faharoa mikasika ny fampiasam-bola stratejika mifandraika amin`ity ZES ao Antsiranana ny 20 ka hatramin`ny23 febroary ho avy izao izay hanasana ireo mpamatsy sy mpampiasa vola eto an-toerana sy avy any ivelany. Hofaritana sy hodinihana mandritra ny fivoriana ny asa sy ireo sehatrasa izay mety hiforona ao anatin`ity  tetikasa  na dia efa miroso ny asa fanaovana tombana ara-bola sy ara-teknika eo amin`ny fanatanterahana ny ZES.

Marefo

Maro ireo tsy mankasitraka ny fametrahana io tetikasa Faritra ara-toekarena manokana io toa an`ireo mpamatsy vola goavana amin`ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI. Marefo mantsy ny tontolo politika eto amintsika ary izany indrindra no tsy mampandroso antsika raha oharina amin`ny firenen-kafa toa an’i Senegal, Inde ary Rwanda izay mampiasa ny ZES. Anisan’ireo firenena tena hanjakan’ny kolikoly koa i Madagasikara ary misy ny rafitra sy ny sehatr’asa eto na miankina amin’ny fanjakana io na tsy miankina. Voatonontonona hatramin’ny mpitondra ambony mihitsy ka mbola mahatonga ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka tsy mazoto mampiasa vola be eto Madagasikara. Manaraka izany dia efa nandalo teny amin`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC saingy tsy nankatoavin`ity farany ity noho ny fisiana andininy tsy mifanaraka amin`ny lalàmpanorenana manan-kery ankehitriny. Tsy maintsy averina hodinihana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona ireo andininy tsy nety tao amin`ity lalàna ity.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT