Famatsiam-bola maherin`ny 2 lavitrisa dolara na 6.385 miliara Ariary no ilaina raha hametraka ny tetikasa Faritra ara-toekarena manokana na ZES eto Madagasikara ka ny faritra ao DIANA, SAVA, Anòsy ary Moramanga no hanatanterahana an`izany.
Any Antsiranana kosa no hanombohana ny ZES ka ny Cap de Diego indrindra ao Andrakaka, izay manana velaran-tany 2 000 Ha no hisantarana izany tetikasa izany. Araka ny fanazavana nomen`Atoa Mahazoasy Freddie, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady filohan`ny NBSI ( Northen Madagascar bord of strategy investement) dia tafiditra ao anatin`ny tetikasa ny fametrahana faritra ho an`ny indostria sy ny fanamboarana fotodrafitrasa fototra maro toy seranam-piaramanidina, seranan-tsambo ary toeram-pamokarana herinaratra mandeha amin`ny angovo azo havaozina. Sehatra roa no hatao laharam-pahamehana ao amin`ity faritra Avaratry ny nosy ity manokana ny lalam-pihariana dia ny Agro Business sy ny fizahantany, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity. Araka izany dia hanatanteraka ny vela-kevitra faharoa mikasika ny fampiasam-bola stratejika mifandraika amin`ity ZES ao Antsiranana ny 20 ka hatramin`ny23 febroary ho avy izao izay hanasana ireo mpamatsy sy mpampiasa vola eto an-toerana sy avy any ivelany. Hofaritana sy hodinihana mandritra ny fivoriana ny asa sy ireo sehatrasa izay mety hiforona ao anatin`ity tetikasa na dia efa miroso ny asa fanaovana tombana ara-bola sy ara-teknika eo amin`ny fanatanterahana ny ZES.
Marefo
Maro ireo tsy mankasitraka ny fametrahana io tetikasa Faritra ara-toekarena manokana io toa an`ireo mpamatsy vola goavana amin`ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI. Marefo mantsy ny tontolo politika eto amintsika ary izany indrindra no tsy mampandroso antsika raha oharina amin`ny firenen-kafa toa an’i Senegal, Inde ary Rwanda izay mampiasa ny ZES. Anisan’ireo firenena tena hanjakan’ny kolikoly koa i Madagasikara ary misy ny rafitra sy ny sehatr’asa eto na miankina amin’ny fanjakana io na tsy miankina. Voatonontonona hatramin’ny mpitondra ambony mihitsy ka mbola mahatonga ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka tsy mazoto mampiasa vola be eto Madagasikara. Manaraka izany dia efa nandalo teny amin`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC saingy tsy nankatoavin`ity farany ity noho ny fisiana andininy tsy mifanaraka amin`ny lalàmpanorenana manan-kery ankehitriny. Tsy maintsy averina hodinihana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona ireo andininy tsy nety tao amin`ity lalàna ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.