Fanatsarana ny

rafitry ny vola eto Madagasikara


  • Talata 24 Martsa 2026

Ny 79% mankasitraka, 21% mbola misalasala

Miroso amin’ny dingana vaovao ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) amin’ny fanatsarana ny rafitry ny vola eto Madagasikara. Teny Ankatso izay mifandraika amin’ny « semaine de l’éducation financière » no nanombohana ny fakan-kevitra, niaraka tamin’ireo mpianatra, mpampianatra ary mpahay toekarena eny amin’ny Anjerimanontolo. Anisan’ny lohahevitra niteraka adihevitra ny fanovana kasain’ny BFM amin’ny fomba fampiharana paikady hampiakarana ny sandan’ny ariary sy ny fanovana ny vola taratasy ambony indrindra. Firenena maro no efa nanao fanitsiana mitovitovy amin’izany, ary voamarika fa nitazona tahan’ny vidim-piainana teo anelanelan’ny 7,3% hatramin’ny 7,9% ny vokany. Araka ny nambaran’ny Governora Aivo Andrianarivelo, tombana natao tamin’ny tambazotran-tserasera no nahitana fa 79% no mankasitraka ity fanovana ity raha 21% kosa mbola misalasala. Ny tanjona voalohany amin’izao dingana izao dia ny hampitombo ny fahefa-mividin’ny Malagasy, ka mbola hitohy hatrany ny fakan-kevitra. Tsiahivina fa nandritra ny « semaine de l’éducation financière » ny herinandro lasa teo no nanambara ny BFM fa mandinika ny mety hanovana ny rafitra ara-bola amin’ny alalan’ny famerana ny bilieta ambony indrindra ho 1 000 ariary. Ny tanjona dia ny hanamaivana ny fitantanana ny vola amin’ny fiainana andavanandro sy ny hampihenana ny isaotra amin’ny sandam-bola. Raha tanteraka izany, ny bilieta vaovao 1 000 dia hifandray amin’ny lanja mitovy amin’ny bilieta lehibe amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny Governora fa mbola eo amin’ny sehatra fandinihana mialoha ny tetikasa ary tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fakan-kevitra mivelatra amin’ny vahoaka. Ny fanesorana ny bilieta 2 000 hatramin’ny 20 000 ariary dia heverina fa hanampy amin’ny famerenana ny lanja ara-psikolojika ny vola sy hanamorana ny fifanakalozana. Araka ny tatitra nataon’ny BFM, ny bilieta 20 000 ariary no mandrafitra hatramin’ny 70% amin’ny fifanakalozana isan’andro, manaporofo fa efa mihena ny fahefa-mividy ananan’ny olona. Raha tsy misy io bilieta io dia sarotra ny fidirana amin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, ary ny vola madinika dia efa tsy dia ampiasain’ny olona intsony. Na izany aza, tena mila fanabeazana ara-bola lehibe ny Malagasy mialohan’ny hidirana amin’io, raha tena ho tonga amin’izany. Tsiahivina ihany koa fa zava-dehibe ara-toekarena ny tatitra nataon’ny BFM mikasika ny tahirim-bola vahiny izay nivoatra be, ka tamin’ny faran’ny Desambra 2025 dia 2,7 miliara dolara ny tahiry, niakatra ho 3,2 miliara dolara tamin’ny fiandohan’ny taona 2026, ary tonga amin’ny 3,7 miliara dolara ankehitriny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Banky Foiben’i Madagasikara
  • Alakamisy 19 Martsa 2026

Tafakatra 3,7 miliara ny tahirim-bola

Hijery ny tohiny
FTT