Fampandrosoana an’i Madagasikara

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna


  • Talata 07 Aprily 2026

Miova isika, mandroso isika!»,

hoy ny teny filamatry ny fikambanana AMF na Aroriaka mitolona ho an’ny fanorenana, tarihin’ny filohany, Dr Be-Rija Ravelomanantsoa. Notakiana fatratra nanomboka ny 25 septambra 2025 teto amin’ny firenena ihany koa izay fanovàna izay ary hita ho nafàna fo indrindra tao anatin’ny tolona momba izany ireo tanora teraka teo anelanelan’ny taona 2000 na ilay antsoina hoe Gen Z. Mbola mamerina hatrany moa ireo hatramin’izao hoe aiza ilay fanovàna notakiana tanatin’ny tolona na dia natsangana ho fiadidiana ny fanavaozana aza ny fitondràm-panjakàna misy amin’izao fotoana izao. Tsy vao tamin’izao ihany nefa fa hatramin’ny taona 1972 no efa nitaky izay filàna fanovàna izay ireo tanora tamin’izany, izay notarihin’Itompokolahy isany Manandafy Rakotonirina sy Maitre Willy Razafinjatovo na Maitre Olala. Nametraka ofisialy ny atao hoe «Fokonolona» ho rafitra politika ny Kolonely Richard Ratsimandrava, niara-dalana tamin’izany, noho ny faharesen-dahatra fa mila miainga eny ifotony ny fampandrosoana fa tsy mety intsony ny rafi-panjanahana nolovaina tamin’ny frantsay satria tsy miteraka fampandrosoana. Napetraka teny anivon’ny fokonolona ny Vatoeka na «Vaomieran’ny toekarena». Ny raharaha rehetra mikasika ny firenena sy ny fiarahamonina dia ningaina teny anivon’ny fokontany ary natao batisa hoe «Raharaha ikambanana». Fanovàna nokasain’ny Kolonely Ratsimandrava ho tanterahina tamin’izany fotoana izany saingy nony nampihariny dia novonoin’ireo olom-bitsy niha very fihinanana tamin’ny fotoan’andro Itompokolahy. Nilaza moa ny Solombavambahoaka iray fa nandova izany Kolonely fahiny izany ny filohan’ny fanavaozana amin’izao fotoana izao ary io misy mikasa hamono hatrany io koa. Tena ho sahy hanova tokoa ve izy io sa tsia? Mbola fanontaniana mipetraka hatramin’izao sy iandrasan’ireo manantena porofo mivaingana mipaka amin’ny aty vilanin’ny vahoaka hatrany aloha izany hatreto fa ny azo antoka izany aloha dia ny hoe tsy afa-miala amin’ny fanovàna ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Na ny tolon’ny 1972 na ny 1991 na ny 2002 na ny 2009 na ny 2018 na ny 2025 dia niandrandran’ny malagasy fanovàna teto amin’ity firenena ity hatrany saingy mbola andrasana hatramin’izao izay tena fanovàna marina izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

  • Banky Foiben’i Madagasikara
  • Alakamisy 19 Martsa 2026

Tafakatra 3,7 miliara ny tahirim-bola

Hijery ny tohiny
FTT