Toekarena

Tsena mialoha ny fety Zara raha mahalafo entana ny mpivarotra


  • Zoma 15 Desambra 2017

Herinandro mahery eo ho eo sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy isika, fety iray anisan’ny manan-danja tokoa ho an’ny isan-tokantrano.

Ny tena mampalahelo anefa dia mihena hatrany ny fahefa-mividy Malagasy hahafahany miatrika izany, raha araka ny fanadihadiana natao. Raha misy amin’ireo fianakaviana Malagasy sasany, ohatra, no zavatra miala sasatra kely any ambanivohitra na any amin’ny faritra rehefa  fialantsasatry ny  Noely tahaka izao dia tsy misy intsony izany, efa ho roa taona izao.  Tsy vitsy ihany koa ireo miditra amin’ireny karazana opération hataon’ny orinasa amin’ny fividianana entana ireny rehefa faran’ny taona tahaka izao noho ny tsy fahafahana mividy na inona na inona intsony isam-bolana. Zara raha maharitra hatramin’ny fahafolon’ny volana mantsy ny karama raisina dia efa tapitra ary miditra amin’ny avance spécial indray ny mpiasa amin’ny faha-15-n’ny volana dia tahaka izany hatrany no hiainan’ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ho an’ireo  nandany 50.000 Ar tamin’ny fetin’ny Noely taona 2016 dia tsy misy afa-tsy 30.000 Ar intsony amin’ity taona ity, tsy ao anatiny ny kilalao fa mbola hifampitadiavana noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Ireo mpivarotra eo an-daniny tsy lazaina intsony ny olana sedrainy noho ny tsy fisian’ny mpividy. Ampahany amin’izany ireto sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto.

Rasoa, renim-pianakaviana niteraka dimy, mpivarotra akoho amam-borona : Tena tsy mandeha ny tsena e ! Sahirana ny vahoaka. Raha efa nahavita namoaka akoho amam-borona in-telo miantoana izahay tahaka izao tamin’ny taona 2015 dia tsy mahalany ny andiany voalohany amin’izao. Zara raha mahalafo vorona iray isan’andro izahay, tena maty antoka be mihitsy. Mbola tsaroako foana hoe : efa manana 4 hetsy  Ar aho tamin’ny taona 2015 tahaka izao tamin’ny vidim-borona.

Remi, mpivarotra hazo Noely sy haingona hazo noely :  Manomboka amin’ny 10.000 Ar izao no hamarotako ny hazo Noely iray vita sinoa. Mbola miady varotra izany saingy na ny mpividy aza  tsy misy e ! Roa isan’andro no lafoko raha betsaka. Tena  mihasahirana ny olona. Ny volantsika Malagasy mihitsy no tena tsy misy lanjany intsony. Vary sy laoka ny 10.000 Ar dia tapitra.

Horthencia, renim-pianakaviana niteraka roa : Raha ny vola hampiasaina hanomanana ny fety aloha tena kely e ! Nihena mihitsy. Ny kilalao indray 10.000 Ar ho ana ankizy telo no vita mba hamalifaliana azy ireo. Maro anaka mantsy ny tena satria miahy mivantana ireo zazalahy kely zanaky ny sahirana ara-pivelomana sy kamboty ihany koa.


Tsiahivina moa fa efa mahatratra 3600 Ar vola Malagasy ny Euro iray ankehitriny izay ahiana ho tafakatra hatrany amin’ny 4.000 Ar mihitsy atsy ho atsy, antony tena mampitotongana ny faripiainan’ny Malagasy tahaka izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT