Toekarena

Tatitry ny Banky Iraisam-pirenena 150 tapitrisa dolara ny fatiantoky ny Jirama herintaona


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Araka ny antontan-kevitra mandrafitra ny CFP (Cadre de partenariat pays) 2022-2027 mampifamatotra an’I Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena,

nahatratra 150 tapitrisa dolara na 604 miliara Ar eo ny fatiantoka sy vola very teo anivon’ny Jirama ho an’ny taona 2022 fotsiny. Mahatratra 0,11 dolara/KWh mantsy ny elanelana na fatiantoka amin’ny famokarana herinaratra amin’ny salan’isa 0,24 dolara/KWh. Teo amin’ny 1900GWh teo ny famokarana tao anatin’ny taona iray, mahatratra 28% ny fahaverezana ara-teknika,…. Nambaran’ny Banky iraisam-pirenena fa na efa manodidina ny 100 tapitrisa dolara aza ny tohana ara-bola atonton’ny Fanjakana ao anatin’ny Jirama ho fanentsenana ara-bola, dia mbola tsy ahafahan’ny Jirama mitazona ny fahamarin-toerany ara-bolany, kanefa tany amin’ny taona 2009 dia nahatratra izany io orinasam-panjakana io. Notsipihin’ny Banky Iraisam-pirenena hatrany ny findangan’ny sarany eo amin’ny famokarana herinaratra, ka mahatonga izay toe-javatra izay.
 Mila amboarina ny fomba fitantanana sy ny paikadin’asa eo anivon’ny Jirama raha te ho tafavoaka.
FIANKINAN-DOHA AMIN’NY TSY MIANKINA
Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fiankinan-dohan’ny Jirama amin’ny solika izay tena lafo satria manodidina ny antsasaky ny famokarana no lany amin’izany, fa eo ihany koa ny lesoka sy ny tsy fahafahana tena mampivelatra ny loharanon’angovo eto amin’ny firenena mora koko, toy ny angovo avy amin’ny rian-drano sy ny masoandro. Ireo mpamokatra herinaratra mahaleotena izay mamatsy ny Jirama no mamatsy ny 55% mahery ny famokarana. Tsara rahateo no manamarika sy mampahatsiahy fa mividy lafo amin’ireo mpamatsy azy, ary mivarotra mora amin’ny mpanjifa ny Jirama. Nambaran’ny Banky Iraisam-pirenena fa fifanarahana mivantana ny fividianana herinaratra kanefa ao anatin’ny fepetra tsy tena mety sy tsy mampahomby amin’io Kaompania nasionaly io.
 Mazava tsara amin’izay angamba izao ny maha zava-dehibe ny DAM, hamokarana herinaratra avy amin’ny rano.

HAMAFISINA NY ANGOVO AZO HAVAOZINA
Azo atao ny mitondra fanavaozana eo amin’ny tontolon’ny angovo, toy ny lafiny ara-bola miainga amin’ny fiaraha-mijery ny fanavaozana ny sehatry ny angovo, toy ny fampiroboroboana izany eny amin’ny toerana ambanivohitra amin’ny alalan’ny fanitarana ny tambajotra sy famoronana tambajotra madinika ivelan’ny efa misy, fanamafisana ny ADER (Agence pour le développement de l’électrification rurale), fanentanana sy fandrisihana ireo mpandraharaha hisehatra amin’ny herinaratra eny ambanivohitra. Notsipihin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fitodihana sy firosoana amin’ny angovo azo havaozina ka hanalavirana ny famokarana miainga amin’ny solika (combustibles fossiles) hafarana izay lafo, kanefa manimba tontolo iainana. Eo ihany koa ny fanavaozana statejika hamoahana fanamby eo amin’ny governemanta izay miahy ny Jirama sy ny sehatra tsy miankina.
SARY 3 : Na hoe ela, na ho haingana tsy maintsy irosoana ny fampiasana ny angovo azo havaozina
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT