Toekarena

Lalàn’ny fananan-tany “Tokony hampifanarahana amin’ny filan’ny Malagasy.”


  • Sabotsy 27 Janoary 2018

Arakaraky ny maha be ny atrikasa sy fivoriana fampahafantarana ny vahoaka ny lalana mifehy ny fananantany eto amintsika no toa vao mainka mampirongatra ny aditany sy ny olana mikasika ny fanantany, indrindra, raha mitodika tamin’iny taona 2017 iny no ho mankaty. Araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny sehatra ifotony mikasika ny fananantany (SIF),

Eric Raparison, dia noboriboriana tamin’ny fahazoana karatany sy “titre” sy  taratasin-tany maro hatrany ny fanabeazana mikasika ny resaka fananantany hatramin’izay kanefa dia be ny zo fototra tokony ho fantatra. Olana fototra, raha ny voalaza, dia hatramin’ny martsa 1896 no nankaty dia natao nifanaraka tamin’ny filan’ny mpanjanaka, izany hoe, ny frantsay izany ankehitriny ny lalana mifehy ny fananantany eto amintsika. Tsy mazava ny fandaminana ny habaka satria raha atao hoe mila 3200 kaloria isan’andro ny olona 1 amin’ny ankapobeny dia midika izany fa mila sakafo vokatry ny tany mifanaraka amin’izay. Mila tany hambolena. 2,8% isan-taona ny taham-pitomboan’ny mponina eto Madagasikara ary ny 73%n’ny fahazoana tany eto dia avy amin’ny lova avokoa. 1,4 hektara monja anefa amin’ny ankapobeny no voafaritra ho anjara tanin’ny fiaanakaviana iray. Ahoana, hoy ity mpandrindra ity, no ahafahana mamokatra 3200 kaloria ampitomboana 23 tapitrisa ao anatin’iizany zava-misy rehetra izany? Mila hampifanarahana amin’io filan’ny Malagasy io, hoy hatrany izy ny lalana mikasika ny fananantany eto.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT