Tontosa tany Genève Suisse ny 27 novambra ka hatramin’ny 1 novambra lasa teo ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny CITES na ny fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena mikasika ny zava-manan’aina sy zava-maniry ahiana ho lany tamingana.
Niompanan’ny adihevitra betsaka ny momba ny hazo sarobidy eto Madagasikara dia ny boaderosy, voamboana na “Palissandre” ary ny “bois d’ébène”. Harena voajanahary voasokajin’ny UNESCO ho vakoka iraisam-pirenena ny ala any Atsinanana, izay ahitana ny ampahany amin’ny ala maitso sy tontolo iainana miavaka eto ambonin’ny tany. Lojika, araka izany, ny fanasokajian’ny UNESCO azy harovana sy hatahorana ho potika noho ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, ny fihazana gidro, indrindra ny fandripahana hazo sarobidy miharo fanondranana an-tsokokosoko. Tsy nahitana fivoarany ny drafitra sy hetsika fiarovana ny hazo sarobidy teto Madagasikara rehefa natao ny tombana, ka nanolo-kevitra ny hanohizana sy ny fandrarana ny fanondranana sy famarotana na “Embargo” hazo sarobidy avy eto Madagasikara ny tale jeneralin’ny CITES. Fanapahan-kevitra am-pahendrena izany, ary miantso ny fanjakana hampitombo avo roa heny ny fanatanterahana ny drafitrasa ho fiarovana ny harem-pirenena, indrindra ny fampiharana ny lalàna manan-kery momba ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ny fanenjehana ireo tompon’antoka, talen’ny WWF eto Madagasikara Nanie Ratsifandrihamanana. Marihina fa anisan’ny niatrika ny fivoriana tany Génève ny minisitry ny tontolo iainana Dr Ndahimananjara Johanita. Vely kanonta ho azy sy ho an’ny fitondrana HVM io nataon’ny SITES io. Maro ireo afera maloto tsy misy tohiny, toy ny raharaha bolabolana andramena 341 tratra tao anatin’ny sambo Lumina tany amin’ny Cap Masoala ny volana febroary, kanefa hentitra ny lehiben’ny governemanta nilaza hoe : “misy olona mpanambola be mety hosamborina amin’io raharaha io ary tsy hihemotra ny governemanta…”. Ny 16 febroary, dia nampanantena izy hoe: “Raha mbola eto ny tenako, dia tsy hanaiky aho ary tsy maintsy hisy ny fanasaziana. Tazoninareo amin’ny teniko aho…”. Fampiesonana no betsaka, ary efa fomba fiasa io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.