Toekarena

Dr Rabe Landry Olivier “Fositra goavana mamparefo ny toekarentsika ny kolikoly”


  • Alarobia 21 Septambra 2022

“Tena mandalo fotoan-tsarotra izao tontolo izao, ka tafiditra isika. Misy krizy miseho amin’ny endrika 3: krizin’angovo miantraika amin’ny lafiny maro, ny krizy ara-bola izay miantraika amin’ny tontolo fifanakalozana ara-barotra eto

ambonin’ny tany, krizy politika izay isian’ny fifandroritana hoe: mandehana aty antsinanana na mandehana aty andrefana na koa mandeha any amin’ireo Bricks na firenena misandratra. Nanomboka tany ho any amin’ny 2019 tsy nitsahatra nitotongana ny toekarentsika, nijotso ny sandam-bola, ny fahefa-mividy mihena, ny asa atolotra tsy misy,... Samy manana ny ilazany ny krizy, fa raha ny famaritana ankapobeny, dia misy zavatra tsy miodina na “dysfonctionnement””, hoy ny fanehoan-kevitry ny Dr Rabe Landry Olivier Manam-pahaizana ara-toekarena izay efa niasa teo amin’ny rafitry ny Banky Iraisam-pirenena, mpikambana teo anivon’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy. Tao anatin’ny fivahinianany tao amin’ny Top Radio FM 102.8 ny alatsinainy teo no nanehoany, fa isan’ny mamparefo ny toekarentsika ny resaka kolikoly. “Ialako tsiny fa voaresaka ao anatin’ny fanasokajian’ny “Doing business” ny hoe: ny fitsarana eto amintsika isan’ny lohalaharana amin’ny resaka kolikoly; ny resaka ladoany, ny fananan-tany, fa indrindra ny fisian’ny olona tsy azo kasihina na “intouchable” amin’ny sehatra avo lenta. Lasa matahotra ny olona, ataony faritra mena amin’ny fampiasam-bola isika, ka izay maka risika no tonga aty kanefa vidian-dafo ihany koa izany”, hoy izy. Tsara rahateo tokoa no manamarika fa laharana faha-161 amin’ny firenena 191 isika amin’ny faharisian’ny mpampiasa vola na “doing business”, ka mila ezaka ny fanarenana izany. Ny mampalahelo, rehefa misy afera maloto tratra, toy ny trafikana volamena, dia ny pirina hatrany no voahendy fa ny trondro be milamindamina, hoy ny fanamarihany. Vokany, very ny asa, sahirana ny olona, ary tsy mahagaga raha tsy mamokatra asa dia lasa tsy maintsy mitady asa, lasa mirongatra ny tsy fandriampahalemana, izay ekena fa misy maneran-tany, saingy misy ny fetra azo leferina. Ny any amin’ny bolabolantany avaratra tahaka an’I Norvège, Danemark, Suède,… dia tena ambany be, efa saika misy ilay antsoina hoe: “pleine emploie” izany hoe: izay eo amin’ny taonan’ny olona tokony hiasa, dia efa saika miasa avokoa. Ny aty Atsimo tahaka an’I Italie, France, Espagne,… dia mirongatra be ny tsy fandriampahalemana, saingy mbola anatin’ny tahan’ny azo leferina. Ny aty amintsika kosa, izay vokatry ny krizy ara-toekarena, dia izao ny zava-misy, ka mila vonjena, hoy hatrany ny Dr Rabe Landry Olivier.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT