Mpandraharaha 141 no efa nahazo fahazoan-dalana
Miisa 141 ireo mpandraharaha nahazo fahazoan-dalana hanondrana lavanila ho an’ny taom-panondranana 2026-2027, araka ny tatitra ofisialin'ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Mbola andiany voalohany ihany anefa ireo satria anatin’ny fijerena ny antontan-taratasin’ny mpangataka ny Minisitera mpiahy amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 500 ny fangatahana agrément hanondrana ho an’ny lavanila sy jirofo mitambatra. Mbola homena fotoana ireo tsy nahafeno fepetra hanarenana ny lesoka fa tsy hihazakazahana akory ny fanasaziana amin’ny tsy fanomezana "agrément". Raha tsy tomombana ohatra ny trano fitehirizana dia manana iray volana ny mpangataka hampanarahana fenitra izany. Ankoatra ny fijerena ny antontan-taratasy mantsy, dia tsirihana koa ny toeram-pitehirizana entana ahitana raha mahafeno fepetra ary jerena ny fepetra ara-panjakana toy ny fampodiana vola vahiny (rapatriement de devises) raha efa mpanondrana teo aloha ilay mpangataka. Efa amin’ny alalan’ny Sehatra nomerika (Plateforme) ALALANA fa tsy amin’ny Mailaka intsony no anaovana ny fangatahana fahazoan-dalana hanondrana lavanila sy jirofo amin’izao fotoana izao. Tsy andoavam-bola ny fanaovana izany ary anatin’ny mangarahara tanteraka ny fikirakirana ny antontan-taratasy. Azon’ireo rafitra nahazo alalana amin’izany toy ny Inspection générale de l’Etat sy ny BIANCO jerena ny fizotry ny asa fikirakirana ny fangatahana sy ny antontan-taratasy. Ny Fitaleavana misahana ny Fitsirihana anatiny sy ny Ady amin’ny Kolikoly (DAILAC) eto anivon’ny Minisitera koa dia manana sata amin’ny maha-mpanara-maso azy, ao amin’ilay Sehatra nomerika ALALANA, hoy ny fanazavana. « Tanjon’ny Fitondrana Fanavaozana ny fialàna amin’ny Ampihimamba. Anteniaina fa rehefa betsaka ireo mpanondrana dia anjaran’izy ireo no mikaroka lalam-barotra ary hanampy azy amin’izany ny Ministera. Hamoraina koa ny fanomezana agrément mba ho betsaka ny hisitraka an’izany, ary indrindra ho betsaka ny handray ny vokatra eny amin’ny tantsaha dia hanatsara ny vidiny izany », hoy ny Tale jeneralin’ny Varotra ivelany (DGCE) eo anivon’ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Tiava RAJOHNSON. Maneran-tany moa no anondranan’i Madagasikara ny vokatra lavanila malagasy ka i Frantsa, Etazonia ary Kanadà no laharana telo voalohany amin’ny fividianana izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.