Sosialy

Zotra nasionaly Mitokona ireo taksibrosin’ny RN1, RN4, RN6


  • Zoma 15 Novambra 2019

Nitokona ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly mihazo ny lalam-pirenena voalohany, faha-4, ary faha-6 omaly, ka nivoaka ivelan’ny toby fiantsonana tetsy amin’ny Gara Maki Andohatapenaka.

 

 

 Tsy mety amin’izy ireo sy tsy sitrany ny fepetra napetraky ny mpitantana ny toby fiantsonana sy ny atokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), raha ny nambaran’ireo mpitatitra. Fepetra vaovao noraisina moa ny fanafoanana ny « soute » na ilay karazana lakavy namboarina manokana hametrahana entana ao ambany fiara; ferana ho 15kg ny entana azon’ny mpandeha iray entina ary tsy mihoatra ny 80cm ny haavon’ny entana eny ambony fiara.  Ankoatra izay, tsy tokony ho mpitantana tombim-piantsonana manokana ny toby, ka takiany ny famerenana ny fitantanana any amin’ny fanjakana. Tsy hiverina intsony izahay, raha tsy miala ny mpitantana. Tsy handoa intsony ny 5000Ar homena ny zandary ihany koa izahay satria mpiasam-panjakana ireo, hoy ireo mpitatitra. Misy tsy ara-dalàna ireo mpitatitra ireo, ka manakorontana, hoy kosa ny mpitantanana. Hitsidika eny ny ATT anio, raha tsy misy ny fiovana. Tsy tetsy Andohatapenaka ihany nitokona niray feo tamin’izy ireo ihany koa ny tao Mahajanga, dia ireo mpitatitra nasionaly mampifandray ny Renivohitry ny voninkazo sy Antananarivo.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT