FIARAHA-MIASA

AMIN'I DJIBOUTI


  • Zoma 27 Novambra 2026

Tokony handraisan'i Malagasy lesona maro

Firenena tena bitika aty Afrika raha ny velaran-taniny no jerena i Djibouti (23 200 km2) . Tany sy toerana tena stratejika anefa ary manintona ireo firenena matanjaka.Ny sehatry ny « service » no miantoka ny 80% n’ny toekarena ao Djibouti. Tsy inona izany fa ny fitaterana entana amin’ny alalan’ny sambo sy fiaran-dalam-by. I Ethiopie no tena mifandray ara-barotra be aminy. Mampanofa ny taniny hametrahan’ireo firenena vaventy toby miaramila ihany koa i Djibouti ka anisan’ny mametraka vata miaramila sy fitaovana any i France, Etazonia, Chine, Japon, Italie.Toerana tena stratejika ny misy an’i Djibouti ka izay no maha tamana ireo tafika vahiny ao aminy. Mety hoe manahirana ve izany ho an'ireo saropiaro amin'ny fiandrianam-pirenena kanefa hery fiarovana faran'ny lehibe ihany koa ho an'i Djibouti. Tsy maintsy misy hatrany ny fahasahiranana, ohatra iray ity : afarana avy any ivelany ny 90% n’ny sakafo hamahanana ny mponin’i Djibouti, olana lehibe ny tsy fananana rano ampy. Tsy mahaleote ara-tsakafo izany ry zareo saingy tsy manana olana ara-tsakafo satria ampy ny vola eo am-pela-tanana hividianana sakafo any ivelany. Tsara ho marihina fa ambony ny Otrikarena faobe any an-toerana raha oharina amin’ireo firenena Afrikana aty atsimon’i tany efitr'i Sahara. Mahatratra 3906 dolara isam-batan’olona izany ho an’ny taona 2025 araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena . 650 dolara isam-batan’olona ny an’i Madagasikara.Teny Frantsay sy Arabo no miasa any an-toerana ary manaraka ny finoana Silamo Sunnite ny 96% n’ny mponina. Mirindra ny fiainam-puarahamonina ao Djibouti satria samy tonga saina ny rehetra fa zava-dehibe ny fifamenoana sy fiaraha-miasa fa tsy hoe samy maka ho azy. Lesona tsara azo raisina izany.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fampiharana
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

ny lalàna mifehy ny fifaninanana

  • Fiaraha-miasan’ny
  • Alarobia 25 Novambra 2026

METFP sy ny Maraokanina

  • FAHADIOVANA
  • Talata 24 Novambra 2026

SY FIDIOVANA

  • Tantsoroka
  • Talata 24 Novambra 2026

sosialy sy toekarenan’ny

  • Tantsaha
  • Talata 24 Novambra 2026

mpamokatra ovy

  • MANANJARY
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

FARITRA VATOVAVY

Hijery ny tohiny
FTT