FAHADIOVANA

SY FIDIOVANA


  • Talata 24 Novambra 2026

Vao ny 58%-n’ny Malagasy

monja no manana kabone takian’ny fenitra
Hanatanteraka hetsika roa lehibe miompana amin’ny fanatsarana ny fahadiovana sy ny fidiovana etsy amin’ny lapan’ny tananan’Analakely ny Ministeran’ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ny 23 sy ny 24 Novambra ho avy izao. Hiarahany amin’ny fandaharan’asa Mirindra momba ny fanadiovana ny tanàn’Antananarivo andiany faharoa na PIAA2 izany, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Tanjona amin’ny hetsika ny hampahafantarana ny olom-pirenena ny ezaka sy ny asa tanterahina eo amin’ny sehatry ny fanadiovana sy ny fidiovana, indrindra ny fitantanana ny rano maloto sy ny fako. Toraka izany koa ny fisorohana ny loza ateraky ny tondra-drano eto Antananarivo. Tsy ho ela rahateo dia hiditra anaty fotoam-pahavaratra tanteraka isika. Hisy araka izany ny varavarana misokatra ho an’ny PIAA2 sy ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny kabone taona 2026. Omaly Alatsinainy 23 Novambra no nosokafana tamim-pomba ofisialy ny lanonana mifandraika amin’izany natrehan’ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana Dr Anja Elia Minosoa Razafindrianiaina sy ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ireo mpamatsy vola. Nisy ny fampirantiana notanterahin’ireo trano eva miisa 20 misehatra amin’ny fahadiovana sy fidiovana. Tsiahivina moa fa mbola vao ny 58% monja ny tahan’ny Malagasy manana kabone ara-pahasalamana sy manaraka ny fenitra takina amin’izao eto amintsika. Manoloana izany dia efa mandeha ny tetikasa fanatsarana ny fotodrafitrasa momba ny fanadiovana sy ny fidiovana toy ny eny Mahamasina sy Analakely izay kasaina hitohy eny Andravoahangy sy ireo toeran-kafa ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Tafiditra ao anatin’ny ezaka hataon’ny fanjakana avokoa izany rehetra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny Ministry ny fidiovana sy ny fahadiovana omaly teny amin’ny Parvis Analakely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIARAHA-MIASA
  • Zoma 27 Novambra 2026

AMIN'I DJIBOUTI

  • Fampiharana
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

ny lalàna mifehy ny fifaninanana

  • Fiaraha-miasan’ny
  • Alarobia 25 Novambra 2026

METFP sy ny Maraokanina

  • Tantsoroka
  • Talata 24 Novambra 2026

sosialy sy toekarenan’ny

  • Tantsaha
  • Talata 24 Novambra 2026

mpamokatra ovy

  • MANANJARY
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

FARITRA VATOVAVY

Hijery ny tohiny
FTT