Sosialy

Zon’Olombelona Mampandroso vahoaka “Nitotongana ny ara-panahin’ny Malagasy”


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Nitondra zavatra sarotra, indrindra, ho an’i Madagasikara ny Coronavirus tamin’ity taona ity,

 

 

 

hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana Zon’olombelona mampandroso vahoaka, raha naneho ny fahitany ny taona 2020. Sarotra izao ny zon’olona hiaina satria niha nahantra be ny olona. Efa tsy miakanjo intsony ny olona any Soatanana izao, raha ny tatitra avy amin’ny mpianatro, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Chandoutis Raoera, nefa mangatsiaka any ny andro. Nitombo be ny taham-pahantrana. Simba ny sakafo amidy satria tsy misy mpividy na dia efa nandoavan’ny mpivarotra vola aza. Tratran’ny trosa koa izany izao ny vahoaka. Amin’ny lafiny toekarena koa izany izao ny zo hiaina sy hisakafo ara-dalana araka ny andininy faha 25 ao amin’ny fanambarana iraisampirenena ho an’ny zon’olombelona dia tsy voahaja. Ny ara-panahy moa nitotonga ary niha nahantra ara-panahy koa ny olona araka ireny mpanolana nitombo ireny. Hatramin’ny zaza am-bolana voaholana. Feno habibiana ny fomba fijery. Izay no ilana ny vavaka mba hampisy tanjaka ara-panahy satria rehefa eo izay dia misondrotra ianao ara-bola. Rehefa ataonao tsinontsinona ny ara-panahy dia vizana ianao, hoy hatrany ny Zon’olombelona mampandroso vahoaka.

J. Mirija

Legende: Chandoutis Raoera, filohan’ny Zon’Olombelona Mampandroso Vahoaka

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT