Sosialy

Zon’ny olona manana fahasembanana Hiady ho amin’ny fandrafetana azy i Madagasikara


  • Talata 29 Oktobra 2019

Nivory tao Johannesbourg Afrika Atsimo nanomboka ny 26 septambra lasa teo ka hatramin’ny 02 novambra 2019 ho avy izao ny firenena avy aty amin’ny ilany atsimon’i Afrika sady mpikambana ao amin’ny SADC.

 

 

 

Hita ao anatin’izany i Afrika  Atsimo, Zimbabwe, Zambie, Malawi, Botsawana, ary ny Nosy  rahavavy Maorisy. Nisolotena an’i Madagasikara Rtoa Razaka  Ralphine, filohan’ny  tambajotram-pirenena an’ireo vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara na ny « Réseau National des Femmes Handicapées de Madagascar ».  Anisan’ny hivorian’izy ireo   ny fandrafetan’ireo firenena ireo ny fehin-kevitra momba ny zon’ireo olona manana  fahasembanana aty Afrika  izay efa nankatoavin’i Madagasikara tamin’ny  volana febroary taona 2004. Tsiahivina fa efa natolotra ireo solombavambahoaka sasantsasany ny fehin-kevitra nanomboka tamin’ny 30 septambra lasa teo. Tanjon’ny mpizaika ny mba hankatoavan’ny rehetra izany ary hanafainganana ny fampiharana azy. Hisy ny fiaraha-miasa manokana eo amin’ny Nosy rahavavy Maorisy sy Madagasikara.

 

Pati

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT