Sosialy

Zon’ny mpiasa “Ny fanjakana mihitsy no manome vahana fanitsakitsahana azy”


  • Zoma 29 Jolay 2022

Eto foana ny Randrana sendikaly raha resaka tolona ho an’ny mpiasa Malagasy no resaka, hoy ny mpandrindra nasionaliny, Mbola Nomena.

Mbola be ny tsy tomombana sy tsy lavorary ao anatin’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara, hoy izy. Ny sendika rehetra mihitsy no miray feo fa tsy ny Randrana sendikaly ihany. Ny Randrana sendikaly moa mihetsika ho an’ny zon’ny mpiasa. Betsaka ny zo tsy voahaja sy voahitsakitsaka dia izay no mahatonga ny Randrana sendikaly tsy matory fa miara-mihetsika amin’ny andavan’andron’ny mpiasa hatrany. Somary mangingina hatreto ny mikasika ny famolavolana ny sata mifehy ny mpiasa. Vita ny tany amin’ny CRDA dia tsy dia tena heno hoe nanao ahoana no tohin’ilay izy? Ny tsikaritra dia toy ny fanjakana mihitsy no manao tsinontsinona ny sehatra tsy miankina ary ny tena hiantraikan’izany indrindra dia ny mpiasa. Ohatra iray lehibe ny famoahana iny didim-panjakana momba ny karama iny. 3 volana aty aoriana ilay izy vao nivoaka. Amin’izay ilay izy tsy tonga volana akory. Mbola tsy maintsy miandry didim-pitondrana na “arrêté” indray ny fanatanterahana io didim-panjakana na “décret” io. Lasa miady eo ny mpiasa sy mpampiasa. Ny disadisan’ireo noho ny tsy fanarahana fifanarahana sy tsy fifankahazoana anaty toeram-piasana koa anefa efa betsaka. Mbola manampy trotraka mandefa zavatra manjavozavo sy feno fifangaroana toy ireny koa anefa ny fanjakana. Ny fanjakana mihitsy no manome vahana fanitsakitsahana zon’ny mpiasa eto Madagasikara, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Legende: Mbola Nomena

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT