Sosialy

Zon’ny ankizy Hampanaovina fifaninana ireo mpianatra eny anivon’ny lisea


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Hikarakara fifaninana ho an’ireo ankizy mpianatry ny lisea ny« DroIts huMains

 

 

Océan Indien » (DIS-MOI) Madagascar, tohanan’ny Novo-Comm. Fifaninana hiompana amin’ny fahafantaran’izy ireo ny zon’ny ankizy eto amintsika izany. “Ny fomba fahitako ny fiarovana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara”, no loha-hevitra hitondrana ny hetsika ka mpianatra eny anivon’ireo lisea miisa 5 eto an-drenivohitra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana no fantatra fa handray anjara. Maro ny tanjon’ny fifaninana ka anisan’ireny ny fahafahana mamantatra ny fahafantaran’ny ankizy mpianatra momba ny zon’ny ankizy eto amintsika sy ny fomba fisainany manokana mifandraika amin’izany. Eo ihany koa ny mba hahafahana mandray ireo tolo-kevitra avy amin’izy ireo entina hanatsarana hatrany ny fiarovana ny zon’ny ankizy eto amintsika. Hatao amin’ny alalan’ny famakafakana amin’ny fiteny Malagasy na fiteny Frantsay izany izay efa nanomboka ny 16 Novambra lasa teo ary tsy hifarana raha tsy ny 16 Desambra ho avy izao hatramin’ny 04 ora hariva. Amin’ny alalan’ny mailaka promotiondroitshumains@gmail.com, no handraisana ny asan’ireo mpandray anjara. Hotolorana boky fianarana sy ho tafiditra mpikambana eo anivon’ny “l’Institut Français de Madagascar” moa izay hitaba ny amboara amin’ity fifaninana ity.

Pati

(Sary fanehoana)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT