Sosialy

Zon`ny mpanjifa “Tsy hitsahatra hampaneno lakolosy”


  • Alarobia 15 Janoary 2020

“Maro ireo fitarainana voaray avy amin`ny mpanjifa kanefa manana lalàna miaro ny mpanjifa i Madagasikara”, hoy Rabetsara Lita, filohan`ny fikambanana nasionaly miaro ny zon`ny mpanjifa (RNDC).

 

 

 

Rehefa misy zavatra tsy mety dia miantso ireo tompon’andraiki-panjakana hijery akaiky izany ny RNDC dieny tsy tonga any amin`ny korontana ny fiarahamonina. Rehefa mandray andraikitra dia tsy ilaina ny savorovoro. Rehefa ela fandraisana fanapahan-kevitra kosa anefa dia miteraka savorovoro. Na mitory na tsia fa mahita trangan-javatra fotsiny dia mampaneno lakolosy izahay, hoy ihany izy. Mangataka mba hisian`ny “agence de protection de consommateurs » izay hampihatra ny lalàna 2015-014 amin`ny fiarovana ny mpanjifa ny RNDC. Amin`izay fotoana izay dia tsy mampaneno lakolosy isan-taona izy ireo fa mandray andraikitra mivantana satria efa rafi-panjakana. Sehatra maro no nitondran`ny mpiaro ny zon`ny mpanjifa mba hamaly ny filan`ny mpanjifa teo amin`ny fitaterana, jirama, rano fisotro madio … Nohamafisiny moa fa hanatanteraka ny kaongresin`ny mpanjifa eto Madagasikara ny RNDC amin`ity taona 2020 ity mba ahafahana maka ny antontan-kevitra rehetra sady adidin`ny mpanfifa ihany koa.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT