Sosialy

Zokiolona tsy afaka naka solombodiakoho


  • Zoma 23 Jona 2023

Hidina hitety tanàna hanatitra izany ny Ben’ny tanànan’Alasora

Notanterahina tamin’ny alarobia teo ny fizarana solombodiakoho noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra ho an’ny kaominina Alasora Avaradrano. Zokiolona manodidina ny 1.300 isa no nisitraka izany izay nozaraina tamina toerana roa ho an’ireo Fokontany miisa 13 dia ny tao amin’ny kianja maintson’Alasora sy ny tao amin’ny Yandy By pass. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy dia efa 4 taona tamin’ity taona 2023 ity no nanaovany izao hetsika izao ho fanajana ny Ray aman-dReny. Na izany aza anefa dia nisy ihany ireo tsy mba afaka naka izany noho ny antony ara-pahasalamana. Nisy ihany koa ireo nandefa solontena saingy tsy nahazo izany ihany koa noho ny fandaminana. Mba ho fanampiana ireny karazan’olona ireny ary dia fantatra fa hidina hitety Fokontany hamangy sy hanatitra ny anjara solombodiakoho ho azy ireny ny Ben’ny tanàna. Mikasika ny fanampiana ireo mpiasa kosa dia fantatra fa anio zoma 23 jona folakandro no hanatanteraka izany ny kaominina ka ankoatra ireo kartie mobila, dia hahazo ny anjarany ihany koa ireo Ben’ny tanana teo aloha efa nitantana ny kaominina sy ireo nanao fisoloan-toerana na interim.
Pati
Legende : Na izany aza efa betsaka ireo nahazo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT