Sosialy

Zokiolona Maro ireo narian’ny zanany sy ny havany


  • Zoma 15 Jona 2018

Maro ireo zokiolona tsy manam-piahy intsony eto amintsika fa narian’ny zanany sy ny fianakaviany. Ho an'ireo tsy manan-janaka dia maro amin’izy ireo no misy manatitra eny amin’ny Foyer de vie Andrainarivo, izay hany toerana tokana eto an-drenivohitra afaka mandray azy ireny.

Toraka izany koa ireo narian’ny zanany satria nanao ny tsy mety tany aloha sady tsy nitsinjo no hoaviny ka tsy misy mpiraharaha intsony rehefa aty aoriana. Misy amin’izy ireo no naterin’ny havany sy ny zanany ho an’ity ivontoerana iray mihitsy ka tsy alaina intsony na dia maty aza.  Manao taratasy ireny karazan’olona ireny, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ity ivontoerana ity mba tsy hisian’ny olana rehefa any aoriana. Ho azy ireo dia ny fikarakarana sy ny fandraisana an-tanana ireo zokiolona no tena imasoany. Anisan’izany ny fanomezana sakafo azy. Manana toeram-pambolena eny Ambohimanambola rahateo izy ireo sady miompy. Misy toerana afaka mandray ireo zokiolona sasany ihany koa eny an-toerana. Toraka izany koa ny fitsaboana sy ny fanafiana azy ireo. Ho an’ireo mbola mahavita zavatra dia omen’ny ivontoerana andraikitra izy ireo toy ny famafana ny trano hitoerany… Omena fotoana hilalaovana ihany koa izy ireo na izany aza mba hahafahany miala voly toy ny olon-drehetra. Tsiahivina fa  na dia eo aza ny fahasahiranana dia sarobidy amintsika Malagasy ny ray aman-dreny ka tsy tokony hariana. Midika izany fa mihapotika tanteraka ny fiarahamonina eto amintsika noho ireo antony maro samihafa ka anisan’ireny ny tsy fisiana sy ny fahasahiranana. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany iadiana amin’ny herisetra hatao amin’ny zokiolona.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT